Anisan’ny rava tanteraka, vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Gezani, ny Akany Onjasoa ao Tanambao Verrerie II, Toamasina. « Potika sy rava ny 90% ny sekoly, izay ahitana mpianatra manodidina ny 1 340 isa sy mpanabe 32 », hoy ny filoha nasionalin’ny fikambanana Malaza ny Gasy, Razanamanantsoa Emma. Anisan’izany ny efitrano fianarana rehetra hatramin’ny […]
Taratra
Fandalovan’ny Gezani : Nampitombo ny fidiram-bolan’ny mponina sasany ao Toamasina
Samy manao ny fanarenana ny fotodrafitrasa simba ny ankamaroan’ny mponina any Toamasina. Nampitondra faisana tany an-toerana rahateo ny rivodoza Gezani. Nahitana fiakarany avokoa anefa ny vidin-javatra rahetra. Misy sokajin’olona mahazo tombony! Manoloana ny fahasimban’ny tanàna maro any an-toerana, lasa nahatonga fiforonan’ny asa tsy manara-drafitra isan-karazany izany zava-misy izany. Nahitana fiakarany […]
TARATRY ny KANTO
Manohy ny diany hatrany ny Tanora Masina Itaosy. Fantatra izao fa hanatanteraka rindran-kira eny amin’ny FLM Ebenezera Sabotsy Namehana ry zareo, ny alahady 22 febroary izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. Fotoana hamerenan’ny Tanora Masina Itaosy indray ireo hira nahafantarana azy hatramin’izay. Hitondrany ny vaovao ihany koa. Hanehoany […]
Tenindreny : Ahavitana fikarohana ny teny malagasy
21 febroary, « Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny ». Hanamarika azy io ny Oniversiten’Antananarivo, Zanatsehatra Malagasy (Ivontoeram-pikarohana momba ny arika sy ny zavatra ary ny Malagasy (Itazoma)/(Ciram) ). Hiompana amin’ny lohahevitra « Teny malagasy, ahavitana raharaham-pikarohana». Hisy ny velakevitra mifanitsy amin’io lohahevitra io, hotanterahin’ireo mpampianatra eny an-toerana. Anisan’izany Rabenilaina Harinia, profesora fakioliten’ny EGS, […]
Ikalalila : Namoaka ny « Domoina »
Tsy rakikira feno fa ampahany ihany ny « Domoina ». Ampy hahenoana, hahalalana, hankafizana ny sanganasan’Ikalalila anefa izany. Hira 6 hanehoan’ity mpanakanto ity ny aingam-panahiny sy ny fironany amin’ny mozika, hozarainy amin’izay liana manomboka anio, amin’ireo vovonam-panjifana mozika maromaro. Tsy namoaka hira satria izany ny fanao, fa mizara aingam-panahy narahina forona sy […]




