Taratra

TSELATRA

Tratran’ny zandary teny Andravoahangy ny lehilahy iray milaza fa pasitera nivadika ho nanao asan-jiolahy. Mianjaika sy mitondra Baiboly izy rehefa hanao ny asa ratsiny. Nitory teny tamina mpivarotra akoho, henan’omby sy henan-kisoa. Vita ny toriteny, angalany entana ny lasibany. Omeny laharana finday tsy misy, rehefa azony ny entana. Manjavona izy! […]

Fanafihana teny Itaosy: mpamongady very 10 tapitrisa Ariary

Voatafika tamin’ny atoandrobenanahary, omaly, ny mpamongady iray. Nirefotra ny basy teny Itaosy Cité. Noraofin’ny jiolahy tanaty harona plastika ny volabe 10 tapitrisa Ariary. Nirefotra ny basy! No­robain’ny jiolahy telo lahy mitam-piadiana ny vola 10 tapitrisa Ar tetsy  Anta­netibe,  Itaosy Cité, kaominina Ambohidrapeto, omaly. Ta­min’ny 12 ora sy 45 minitra, tonga […]

Kick – Lalaon’ny Nosy 2023 :fantatra ireo handrafitra ny ekipam-pirenena

Tontosa tamin’ny herinandro lasa teo, tetsy amin’ny ANS Ampefiloha, ny katro­kady natao hifantenana ny ekipam-pirenena malagasy hiatrika ny Lalaon’ny Nosy JIOI 2023, taranja Kick-boxing. Kickers miisa 50 no nandray anjara avy amin’ny ligim-paritra 8, nahitana ny avy eto Ana-lamanga, Atsinanana, Menabe, Atsimo Atsinanana, Matsiatra Ambony, Atsimo Andrefana, Vakinankaratra, Boeny. Ady […]

SOMBIM-BAOVAO

Taorian’ny andro faran’ny fiadiana ny tompondakan’ny ligin’i Matsiatra Ambony, sokajy Ligy 1, vao fantatra fa voahosotra ho tompondaka ny ekipan’i Tsaraofana. Ny taona 2016 no nitsangana ny seko­lin’ny baolina kitra Tsaraofana. Niakatra Ligy 2 ny taona 2019. Marihina fa anisan’ireo ekipa manana ny lanjany ao Matsiatra Ambony ny Tsaraofana. Hivoaka […]

Lalaon’ny Nosy: hanomboka ny 15 jolay ny fampivondronana

Araka ny fanadihadiana natao, hanomboka ny 15 na 17 jolay ho avy izao ny fampivondronana ireo atleta rehetra handray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023). Handray an-tanana izany ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Efa nahatonga ny anaran’ireo handrafitra ny ekipam-pirenena avokoa ireo federasiona voakasika amin’izany. Tsiahivina fa 1 volana […]