Mifantoka amin’ny fanangonana sy fanodinana fako ny fandaharanasa « Fanavotana » iarahany amin’ny « Agir pour le développement durable et l’emploi vert » (ADDEV). Miisa 32 ireo vehivavy mpikambana misehatra amin’ny fanodinana ny fako. « Tanjona ny hampidi-bola sy hanatsarana ny fari-piainany. Eo koa ny fiarovana ny tontolo iainana », hoy Andolalaina, mpanentana ara-tsosialin’ny tetikasa. Maka […]
Taratra
“Robot” ho an’ny fambolena : hiatrika ny famaranana i Ziona A. sy Law A.
Hatao any Senegal, ny 23 hatramin’ny 30 jolay ho avy izao, ny fifaninanana robotika, andiany farany. Nahazo laharana faharoa tamin’ny fifaninanana robotika “Panafrican robotics competition” (PARC), andiany faharoa i Madagasikara. Hiatrika izany i Ziona Alberson sy Law Anthony, Malagasy injeniera eny amin’ny politeknika Vontovorona. Hitondra vahaolana maharitra momba ny teknolojia […]
Mahanoro: nahazo milina hanodinana mangahazo
Anisan’ny mampiroborobo ny toekaren’ny toerana iray ny fananany ozinina sy milina manodim-bokatra. Ny zoma teo, napetraka ao Mahanoro ny milina hanodinana ireo mangahazo any an-toerana. Hahazoana lafarinina 300kg sy tavolona mangahazo (fécule de manioc) hatramin’ny 250kg ary hanodina mangahazo 1t sy sasany isan’ora io milina io. Fantatra fa mahatratra 27 […]
Ambatovy: nidina hatramin’ny 21 000 dolara ny vidin’ny nikela
Anisan’ny manjifa betsaka ny nikela sy kobalta vokarin’Ambatovy ireo firenena lehibe misehatra eo amin’ny famokarana angovo madio. Tato anatin’ny enim-bolana voalohany, nilatsaka ny vidin’ireo akora fototra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Hatramin’ny volana janoary teo, tsy nitsaha-nihena ny vidin’ny nikela eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Manodidina ny 30 000 dolara ny iray […]
VAOVAO TAMBATRA
Hatao etsy amin’ny IFM Analakely (11-27 jolay) ny fampirantiana momba ny tontolo mananaina. Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa “Varuna” ny hetsika, tohanan’ny Antokon-draharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD). Mandrindra azy ny Ivontoeram-pikarohana IRD, miaraka amin’ny UMR SENS. Manana fitaovana alambika vaovao fanamboarana ilomenaka ny Foibe CTHT any Toamasina. Mitsitsy, satria 300 […]




