Taratra

Lalaon’ny Nosy – Karate : mpikatroka 47 hifantenana ny ekipam-pirenena

Nambaran-dRatefinana­ha­ry Emile, filohan’ny Fede­rasion’ny karate malagasy (FKM), tetsy By-pass, omaly, fa 47 mianadahy sisa ireo hifantenana ny ekipam-pirenena hiatrika ny lalaon’ny Nosy. Izy ireo no miatrika ny fampivondronana farany. Ma­rihina fa 31 ireo hiaro ny voninahi-pirenena. Hiady ny me­daly volamena eo amin’ny fihetsika mirindra (Kata) sy ady (Kumite) izy ireo. […]

SOMBIM-BAOVAO

Kianja Barea Mahamasina Tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alarobia lasa teo, fa hisy orinasam-panjakana hatsangana manokana hisahana ny fitantanana ny kianja Barea Mahamasina. «Société de patrimoine Kianja Barea SA» no hajoro, ka 75 % ny petra-bolan’ny fanjakana malagasy raha toa ka ny 25 % ny an’ny Kaominina Antananarivo […]

Basikety-“Africa North” : hitsara ny « Nations League » i Tojonirina

Tsy ny mpilalao ihany no mamiratra fa eo ihany koa ny mpitsara lalao. Nahazo fanendrena hitsara, mandritra ny fifaninana “Nations League Africa North “, hatao any Alzeria, ny Malagasy mpitsara iraisam-pirenena, Andriamanantsoa Tojonirina Harilala. Firenena miisa 6 eo amin’ny sokajy zazalahy, miampy firenena 6 eo amin’ny sokajy zazavavy no mandray […]

Gazety boky Politikà : mamakafaka ny resaka Tetezamita

Nivoaka, omaly, ny gazety boky Politikà, andiany faha-31, iandraketan’ny Friedrich-Ebert-Stiftung (FES Madagascar). Miresaka lafin-javatra maro misy eto amin’ny firenena ny votoatin’ny lahatsoratra ao anatiny. Nosafidiana manokana ny famoaboasana mikasika ny Tetezamita. “Tsapa fa miverina foana matetika io teny io, indrindra rehefa fotoam-pifidianana sy tranga politika toy izao”, hoy ny tonian-dahatsoratry […]