Taratra

Ady tao anaty « Bar » : vaky ny vavan’ilay sefo Cisco

Naratra vokatry ny katro-doha sy ny totohondry nahazo azy ny lehiben’ny Cisco iray. Tompon’antoka ny lehiben’ny distrika teo aloha, niady taminy tao anaty trano fisotroana. Vaky loha, niafara tamin’ny fifampitoriana ny fifandirana teo amin’ny ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana ao Marolambo sy ny lehiben’ny distrika teo aloha, ny alin’ny fetim-pirenena. Efa nahazo famindran-toerana […]

Fanafihana mitam-basy: roa lahy naiditra am-ponja

Naiditra am-ponja, afakomaly, ireo roa lahy mitam-piadiana tra-tehaky ny zandary. Voasambotra tetsy Anosizato, ny alahady 2 jolay, izy ireo. Mpandeha nampiahiahy tao anaty taksibrosy mampitohy an’Antananarivo sy Arivonimamo izy mirahalahy. Nanaitra ny mpitandro filaminana anefa ny fihetsik’izy ireo mahamahana. Natao ny fisavana, sarona teny aminy ny fitaovam-piadiana mahery vaika. Basy […]

Malaza ho mpanolana: maty voadaroky ny vahoaka i Dino

Malaza amin’ny fanolanam-behivavy ao an-tanànany i Dino. Noho ny tahotra, tsy sahy mitoroka ny lasibatra. Tratran’ny fokonolona izy, omaly. Voadaroka ka maty teny amin’ny hopitaly. Maty omaly maraina i Dino, jiolahy raindahiny amin’ny fanolanam-behivavy sy ny halatra isan-karazany. Tratran’ny mpiray tanàna aminy, tao amin’ny fokontanin’Andramena, any amin’ny distrikan’i Farafan­gana izy, […]

Basikety-Mpilalao U19: hisy handrafitra ny ekipa nasionaly amin’ny JIOI

Tsy tapitra teo amin’iny fiadiana ny amboara eran-tany iny ny lalan’ireo mpilalao U19, eo amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena. Hisy amin’ireo mpilalao tany Hongrie ireo no ho voaantso handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika ny lalaon’ny Nosy 2023, araka ny nambaran’ny tale teknika nasionaly eo anivon’ny federasiona malagasin’ny basikety, Razafiarivony Solofohery Angelot. Mbola […]

SOMBIM-BAOVAO

Miala sasatra eto an-tanindrazana amin’izao fotoana izao, ry Randrianasolo mirahalahy, fanta-daza amin’ny taranja MMA (Mixed Martial Art). Araka izany, hisy ny fiofanana karakarain’ny Judo BJJ Esca, rahampitso, eny amin’ny Dojo Esca. Handray anjara amin’ny fampiofanana ihany koa ireo mpiangaly MMA eto Madagasikara. Hotanterahina iray volana mialohan’ny la­laon’ny Nosy ny fampivondronana […]