Malaza ho mpanolana: maty voadaroky ny vahoaka i Dino

Malaza amin’ny fanolanam-behivavy ao an-tanànany i Dino. Noho ny tahotra, tsy sahy mitoroka ny lasibatra. Tratran’ny fokonolona izy, omaly. Voadaroka ka maty teny amin’ny hopitaly.

Maty omaly maraina i Dino, jiolahy raindahiny amin’ny fanolanam-behivavy sy ny halatra isan-karazany. Tratran’ny mpiray tanàna aminy, tao amin’ny fokontanin’Andramena, any amin’ny distrikan’i Farafan­gana izy, ny talata alina. Toy ny fanaony mahazatra, mangalatra sy manolana. Nisy nahatsikaritra teny am-pangalarana lavanila ny tovolahy ka raikitra ny antsolava. Niron­gatra ny fokonolona, izay efa leo ny fanjakazakany. Nisy ny fanenjehana, tsy lasa alavitra izy. Tratran’ny be no ho vitsy ka noraisim-potsiny.
Nambaran’ny loharanom-baovao avy any an-toerana fa nisesisesy ny halatra lavanila maitso tany an-toerana. Nive­rimberina ny anaran’i Dino. Vokany, nanapa-kevitra ny niambina ireo tompon’ny sa­ha. Nilaza ny mponina any an-toerana fa maro no efa nahita faisana saingy noho ny tahotra andaniny, noho ny tsy fisian’ny porofo ankilany, dia tsy misy misambotra azy.
Nanamparan’ny fokonolona ny hatezerany i Dino. Naratra mafy ka voatery niditra an-tsehatra ny zandary, nanakana ireo nanao fitsaram-bahoaka. Nentina na­mon­jy hopitaly, tany an-drenivohitry ny distrika izy, ny alin’ny 5 jolay. Nisy ny famonjena maika nataon’ny mpitsabo, toy ny fametrahana ranom-panafody famerenana aina. Nisy ny fialana nenina natao saingy noho ny ratra sy dona nahazo azy dia namoy ny ainy izy, omaly tokony tamin’ny 7 ora maraina.
Manoloana ny zava-niseho dia nanokatra famotorana ny mpitandro filaminana. Efa nampanantsoina, naka ny razana teny amin’ny hopitaly ny fianakavian’ilay maty. Andrasana ny ho fivoaran’ny raharaha.
Marihina fa anisan’ny faritra mamokatra lavanila ny any Atsimo Atsinanana amin’izao fotoana izao. Toerana izay mahasarika ny mpanangom-bokatra, indrindra fa ny mpanambola avy any Sava sy ny avy aty an-drenivohitra rahateo. Sady betsaka ny vokatra no tsara kalitao ka manintona ireo efa matihanina amin’ny fiseràna sy fivarotana azy.

r.r

Partager sur: