Taratra

Ifaty: faritra misy vatohara telo arovana

Niorina ny taona 2007 ny Fikambanana miaro hanasoa ny ranomasina (Fimihara), ao amin’ny fokontany Ifaty. 806 ireo mpanjono mpikambana anatin’ny kaominina roa (Bela­landa sy Manombo) mipari­taka anatin’ny fokontany 13. Nahatsapa ireo mpanjono fa rehefa simba ny vatohara, lasa nandositra any amin’ny fari-dranomasina lalina ny hazandrano ka sahirana izy ireo, hoy […]

Copefrito : Mamelona mpanjono 10 000

Fampiroboroboana ny asa fiveloman’ny mpanjono, nataon’ny orinasa « Compagnie de pêche frigorifique de Toliara” (Copefrito) no niteraka ny fiompiana zanga sy fambolena lomotra, nanampiana ny vola miditra amin’ny mpanjono. « 25 taona niasana teto Madagasikara ny orinasa amin’ny fanondranana hazandranomasina, indrindra ny horita sy ny drakaka », hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny fitrandrahana, […]

Tetikasa ARMS Restore: 6 ha ny vatohara amboarina miaraka amin’ny Reef doctor

Tokony hampianarina hitia ny tontolo an-dranomasina ny ankizy raha vao eny amin’nyambaratonga voalohany. Mpianatra mpikaroka ma­nomana doctorat, Ran­drianandrasana José, izay « océanographe » sady « biologiste marin » ary miara-miasa amin’ny ONG Reef doctor sy ny Ivontoerana manofana sy mikaroka momba ny tontolo an-dranomasina sy ny jono (IHSM) ao Toliara. Misehatra anatin’ny tetikasa Artificial […]

Indray mijery

Avy amin’ny voka-pikarohana nataon’ny mpikaroky ny Ivontoerana manofana sy mikaroka momba ny tontolo an-dranomasina sy ny jono (IHSM) Toliara no nahazoana nanao andrana tamin’ny fiompiana zanga, tao amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Zava-dehibe ny fiarovana ny rohivoahary an-dranomasina ao Andavadoaka, najoro ny club Alo, ivon­dronan’ny tanora maro manentana miaraka amin’ny mpiasan’ny […]

Fito ny “reserve dure” : 100 000 Ar ny sazy voafaritry ny dina

Fokontany fito manana tanàna 23 no mivondrona ao anatin’ny fikambanana Velon­driake, niforona ny taona 2003, hiaro ny fari-dranomasina, hampitombo ny vokatra samihafa. Nanangana kaoperativa ny mpanjono 2 500 izay miara-miasa amin’ ny ONG Blue ventures. Ny vehi­vavy no misa­hana ny fitan­tanana ny fari-dranomasina misy ny horita arovana fa ny lehilahy manjono, […]