Taratra

FANTINA sy FINTINA

 Nametraka fitoriana teny amin’ny fampanoa-vana, Antananarivo, afakomaly, ny mpisolovava ny fikambanana ADDN, tarihin’i Ernaivo Fanirisoa, ny Me Rafidison Jean-Eric. Anton’izany ny fanaovana hosoka sy fisandohana. Efa tsy mizaka ny zom-pirenena malagasy ny filohan’ny Repoblika. Nefa mbola afa-nirotsa-kofidiana izy tamin’ny 2018.  Hanohana ny Ceni amin’ny fanatanterahana fifidianana ny Pnud. Nampahafantarina tamin’ny […]

Antenimierampirenena : tsy voaongana ireo depiote telo ao amin’ny birao maharitra

Nitsefotra ! Tsy tratra ny fetrisa,101, tamin’ny latsa-bato tokony hanonganana ireo mpikambana sasany eo ani­von’ny birao maharitra eo anivon’ny Antenimiera. Voatana amin’ny sezany izany ny filoha lefitra, ho an’ny faritanin’i To­liara, Rabenirina Jean Jacques sy ny an’ny faritanin’i Fiana­rantsoa, Razafintsiandraofa Brunelle. Mbola eo amin’ny toerany koa ny kestora III, Rabeniriana […]

Ravindravina atentina

  Tao anatin’ny volana vitsy izay, mahazo vahana ny vola sandoka manerana an’i Madagasikara. Manao izay danin’ny kibony ny olon-dratsy. Tsy mifidy toerana hanaparitahana vola. Tsy mifidy sokajin’olona ny mpanaparitaka izany fa misy hatramin’ny vahiny. Ireto farany izay sady manambaka no milalao ody ratsy. Mila mitandrina ny rehetra manoloana izany. […]

Antson’ny Praiminisitra : “Aoka tsy hovakin’ny politika ny tafika”

Nifarana, omaly, ny fivorian’ireo manamboninahitra ambony eo anivon’ny Tafika, natao teny Soanierana. Nisy ny antso avo nataon’ny Praiminisitra, Ntsay Christian, tamin’izy ireo. Nambarany tamin’izany fa miaina anaty tontolo fanomanana ny fifidianana isika amin’izao fotoana izao. Efa hita taratra sahady ny fihetsiketsehan’ireo mpanao politika, ka nankahery ireo tomponandraikitry ny filaminana rehetra […]

Rehefa vita ny nataony…: vola sandoka no nomen’ilay kameroney ny mpivarotena

Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Soamanandrariny teny Ambohimahitsy, ny Kamero­ney iray, 32 taona, mbola mpi­anatra, afakomaly maraina. Niaraka tamina vehivavy iray mpivarotena izy ka nony vita ny filany dia vola sandoka 10 000Ar no nomeny azy. Nahatsikaritra vehivavy iray mpivarotena nitomany teo amin’ny sampanan’Ambohi­ma­hitsy, fokontany Ambohi­ma­hitsy, kaominina Ambohi­mang­akely, ny […]