Nanohitra polisy, maty voatifitra ny jiolahy roa raindahiny. Maty voatifitry ny polisy ny jiolahy roa, tao Betanimena Bagdad, anatin’ny distrikan’Ambatondrazaka, afakomaly alina. Mpanakan-dalana amin’ny lalam-pirenena faha-44 sady mamaky trano izy roa lahy ireto. Nanao hetsika manokana ny zandary avy ao amin’ny borigady Manakambahiny sy ny polisy. Tra-tehaka tamin’izany ireto jiolahy […]
Taratra
TSELATRA
Noraisim-potsiny ny telo lahy mpifoka rongony, tao amin’ny fokontany Ambaniavaratra, kaominina Fenoarivo, afakomaly. Amin’ny andro atoandro, midoroka io zava-mahadomelina io eny ankalamanjana izy telo ireto. Nidina itofony, sarona teo am-pifohana rongony ary efa mandrevirevy ireto telo lahy ireto. Nentina teny anivon’ny biraon’ny zandary Fenoarivo izy ireo. Nahatrarana rongony koa teny […]
Loka Castel : Malagasy mpandraharaha roa hanao ny famaranana
Nampahafantarina, omaly, ireo Malagasy mpandraharaha, hanatrika ny dingana famaranana, mandray anjara amin’ny loka “John Castel”, miara-miombon’antoka amin’ ny orinasa Star. Nisokatra tamin’ny 23 avrily ny fifaninanana ho an’ny orinasa ara-dalàna. Efa nisokatra herintaona farafahakeliny, tantanin’ ny Malagasy 18 hatramin’ny 45 taona. Miisa 40 tamin’ireo 167 nandrotsaka hifaninana no nahafeno ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ilay teratany Israelianina tratra teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny herinandro teo. Saika hanondrana sokatra 59 izy ka izao voasambotra izao. Miisa 2 ny kandidà hisafidianan’ny filankevitry ny minisitra hitantana ny Jirama. Tany am-boalohany, miisa 19 ireo nirotsa-kofidiana, ka ny 5 ihany no Malagasy. Nihena ho […]
KAOPERATIVA : lany ny volavolan-dalàna
Lany teny amin’ny Antenimierandoholona nandritra ny fivoriambe, omaly, ny volavolan-dalàna mifehy ny orinasa kaoperativa. Hojerena manaraka ny famoahana ny didy fampiharana, hahafahana misitraka ireo tombontsoa samihafa. Ainga vao sy hitondra fampandrosoana eny ifotony ity lalàna ity. “Raha miresaka kaoperativa dia miresaka fihariana isika, miresaka ihany koa fiveloman’ny mponina eny ifotony”, […]




