Tsaroanareo ve ilay fampisehoana Njila sy i Poopy tao amin’ny Palais des sports, ny taona 2017? “Firaisankina” ny anaran’ny seho tamin’izay, nentina nanamarihan’i Njila ny faha-40 taona niakarany an-tsehatra. Amin’izao fotoana izao kosa, tonga amin’ny fankalazany ny faha-40 taona niakarany an-tsehatra ihany koa i Poopy… Efa nisy ny seho goavana […]
Taratra
Fitsidihana ny Rova: nandraisana fepetra ireo mpitari-dia tsy ara-dalàna
Izay efa nitsidika dia nahatsikaritra. Ifandrombahan’ireo milaza fa mpitari-dia izy ireo. Manakorontana ny mpitsidika ny Rova ka tsy eken’ny minisitera mpiahy izany. 9 andro izay no nisokatra indray ho an’ny besinimaro ny eny Anatirova. Efa maherin’ny 10 000 sahady ireo mpitsidika, ny tamin’ny alarobia teo no maro indrindra, satria nahatratra […]
TARATRY ny KANTO
Le Pavée – Rija sy Lalie «Raha tsy ho ahy»… fampiaraham-peon’i Rija Ramanantoanina sy i Lalie io. Tsy afaka am-bavan’ny mpankafy hatramin’izao. Efa ela no tsy nisy ny fampiaraham-peon’ireto mpanakanto ireto, saingy hotanteraka kosa ny fanirian’ny rehetra anio, amin’ny 8 ora alina, eny amin’ny Le Pavée Antaninarenina. IFM Analakely –JS […]
« Fehezan-tseho hafa mihitsy »: tarika 19 hifandimby eny an-tsehatra
Mifanaraka amin’ny lohateniny ! Sambany teo amin’ny tantaran’ny kalon’ny fahiny sy ny hiran’ny omaly no hisy tarika sy mpanakanto mahatratra 19 be izao hifandimby eny an-tsehatra. «Fehezan-tseho hafa mihitsy», rindran-kira hotanterahina ny 23 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny CCEsca Antanimena. Ao ireo tarika sy mpanakanto […]
Ramilison Dadafara: « Mampiditra 6 tapitrisa isan’ olona eo ho eo ny hiragasy »
Maina ny tany ! Afaka manatanteraka adin-kiragasy maro ny tarika iray. Saika isan’andro mandeha hatrany. Dinika nifanaovana tamin-dRamilison Dadafara. Gazety Taratra (*): Mandra-pahatongan’ny rotsakorana volana oktobra, mahatratra firy eo ho eo ny adin-kiragasy vitan’ny tarika iray ? Ramilison Dadafara (-): Raha niainga teo amin’ny voalohandohan’ny volana avrily, mahavita adin-kiragasy 150 […]




