Manoloana ny lozam-pifamoivoizana mahakasika ireo fiara fitateram-bahoaka eto Antananarivo dia mampahatsiahy ny CUA fa ny fiara rehetra mandalo eny amin’ny « visite de conformité » dia tsy maintsy efa nahavita ny fitsirihana teknika ara-dalàna. Misy toromarika amin’ny fanamboarana tokony hatao homena mandritra ny fitsirihana natao. Nanomboka ny 2 jona lasa teo ny […]
Taratra
Herinandron’ny Haratonaina : hatao eto Atananarivo ny fakan-kevitra
Hofaranana eto Antananarivo, ny 6 hatramin’ny 8 jolay izao, ny “Herinandron’ny Haratonaina”. Mikarakara izany ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana sosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy. Hisy ny fakan-kevitra hiantsoana ny rehetra ahafahana manao tombana sy manatsara ny dingana manaraka. Hatao etsy amin’ny Parvis, Lapan’ny Tanàna, Analakely ny hetsika. Hisy […]
Fanadinana bakalorea : manomana “cours” maimaimpoana ny CUA
Mikarakara cours maimaimpoana ho an’ireo mpanala fanadinana bakalorea ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Miandraikitra izany ny sampandraharaha misahana ny sosialy sy ny fahasalamana ary ny fanabeazana. Hotanterahina ny 3 ka hatramin’ny 7 jolay ny fanampiana ireo mpiadina. Manomboka amin’ny 8 ka hatramin’ny 12 atoandro. Hizara roa ny toerana hanatanterahana izany. Hisy […]
Fanadinam-panjakana BEPC : 25 001 ny mpiadina eto Antananarivo Renivohitra
Hotanterahina ny 3 ka hatramin’ny 6 jolay ny fanadinana BEPC. Efa miomana amin’ny fiatrehana izany ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Cisco manerana ny Nosy. Mahatratra 25 001 ny mpiadina BEPC hiparitaka amin’ny foibem-panadinana 35 manana efitrano 632, eto amin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra. 21 218 nisafidy ny sokajy A. Mizara safidy telo arakaraka […]
Kaominina Toamasina “Suburbaine”: naaton’ny mpanolotsaina ny ben’ny Tanàna
Vaky ny ady eo amin’ny samy mpiray donakafo eo anivon’ny antokon’ny filoha TGV/Mapar. Voakasik’izany ny ao amin’ny kaominina manakaiky ny Renivohitra na i Toamasina “Suburbaine”. Nandray fanapahan-kevitra nandritra ny fivoriana ny filankevitry ny Tanàna ao an-toerana, ny talata teo. Nampiatoana ny ben’ny Tanàna, Barison Charles. Nandatsa-bato miafina ny mpanolotsaina dimy […]




