Taratra

Hasarotam-piaro: lehilahy maty voatsindrona antsy

Voasambotra ny lehilahy iray nahavanon-doza ka nahafaty olona tao Ambohitrarahaba, ny 27 jona teo. Raim-pianakaviana 40 taona maty voatsindrona antsy nataon’io lehilahy voasambotra io. Noho ny hasarotam-piaro, nifamaly ireto roa lahy ireto. Nentin’ny hafanam-po, nampiasa antsy ny iray. Nolerany tamin’ny tendan’ilay raim-pianakaviana io antsy io. Naratra mafy, nentin’ny manodidina azy […]

Fialonana: matin’izy roa lahy ny reniny

Nialona ny zaodahiny izy roa lahy. Ny reniny no nanamparan’izy ireo ny hatezerany. Nodorana ny tranony. Notaperina ny ain’ilay renim-pianakaviana. Namoy ny ainy vokatry ny habibiana nataon’ny zanany roa lahy ny renim-pianakaviana iray tao amin’ny fokontany Mahavita, kaominina Vohitrandriana, distrikan’i Nosy Varika, ny alin’ny 26 jona teo. Nialona ny valilahiny […]

SOMBIM-BAOVAO

Ny ekipan’ny Fosa Junior sy ny As Fanalamanga no hanao ny lalao famaranana amin’ny “Playoff Orange Pro League 2023”. Lavon’ny AS Fanalamanga Toa­masina, tamin’ny isa 1 no ho 0 ny Cosfa Anala­manga, nandritra ny manasa-dalana. Fihaonana notanterahina teny amin’ny kianjan’ny Elgeco plus By-pass, omaly. Ankoatra izay, hahe­motra amin’ny 9 jolay […]

Taranja Teqball : nandrombaka ny medaly volafotsy

Tsy nitsanga-menatra ny ekipam-pirenena malagasy, Teqball, nandritra ny andiany faharoa amin’ny lalao afrikanina fanao amin’ny torapasika «Jeux africains de plage 2023». Fihaonana notanterahina tao Hammamet Tunisie, ny 24 ka hatramin’ny 26 jona lasa teo. Nandrombaka ny medaly vola­fotsy ny ekipa olon-droa miaraka lahy sy vavy, nisy an-dRako­tonirina Diarra Spencer Erickson sy […]