Taratra

Mahaleo tena isan’andro

  Vita iny ny fankalazana ny niverenan’ny Fahaleovan­tena, na teo aza ny fiantsoana sy fihantsiana tsy hanatrehana izany. Ahoana ny manaraka? Ny fitohizan’ny raharaham-pirenena sy ny fiainam-bahoaka. Voafafan’izay ve ny fahasahiranana andavanandro mandavantaona? Nitondra inona àry ny fankalazana? Mba tsy fombafomba sy fahazarana fotsiny… Tena misy sy iainana ny Fahaleovantena? […]

Niverina ny Corsair : mitombo isa ny zotra ana habakabaka

Nigadona omaly, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny Airbus 330neo, an’ny kaompania Corsair. Niverina izany telo taona aty aorian’ny nampiantoana azy. Nigadona, omaly 28 jona tamin’ny 1 ora sy sasany, teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, ny fiaramani­dina Airbus 330neo an’ny kaompania Corsair, niainga avy any Paris. Nilaza ny filoha tale jeneraly […]

TSELATRA

Avotra soa aman-tsara ireo olona valo, hita tao anaty lakana maty, tao Ampolahambe, Ma­soala, omaly. Voarara tsy handriaka noho ny andro ratsy,  niainga tao Maromandia-Ste Marie, izy ireo, ny 25 jona tolakandro. Vehivavy ny iray tamin’ireo valo ary nikasa hihazo an’Antsiraka Antanifotsy  ity sambo ity. Maty anefa ny motera. Tavela […]

Voahitsaky ny lamasinina: sady potika no tapaka ny tongotr’ilay lehilahy

Potipotika ny taolany! Maty tsy tra-drano ny lehilahy iray voahitsaky ny fiarandalamby, tao Lohariandava Brickaville, tamin’ny alatsinainy maraina. Raha ny fahitana ny razana, tapaka ny tanany, ny niala ny tongony rehefa notetezin’ny kodiaram-bin’ny lamasinina. Nahazo loharanom-baovao ny lehiben’ny fokontany Loha­riandava momba ny fisian’ity lehilahy hita faty ity. Niantso ireo zandary […]