Taratra

Tsy afaka CEPE : zazalahy 12 taona, namono tena

Maty nihantona tamin’ny lamba tao an-tranony ny zazalahy vao 12 taona, ny sabotsy teo. Voalaza ho antony, ny tsy fahafahany ny fanadinana CEPE. Maty, namono tena ny zazalahikely vao 12 tao ny sabotsy lasa teo tany Ambatomanjaka, kao­minina Ambatomainty, distrikan’i Morafenobe. Niara-niandry ny voka-panadinana nia­raka tamin’ny kambana taminy izy tamin’io […]

Fetin’ny fahaleovantena malagasy: nitondra fandresena ho an’i Madagasikara ireo atleta

Nifanindry an-dalana tamin’ny fetin’ny fahaleovantena malagasy, nitondra ny anjara birikiny nanome fandresena ho an’i Mada­gasikara ihany koa ireo atleta malagasy, niatrika fifaninanana iraisam-pirenena. Ho an’ny taranja Judo, nanao pao-droa, ka nandrombaka medaly vola­mena roa tamin’ny “Coupe d’Afrique” sy ny “Open d’Afri­que”, natao tany Niamey, teo amin’ny sokajy Junior sy sokajy […]

SOMBIM-BAOVAO

Lalao afrikanina Tafita eo amin’ny famaranana, amin’ny lalao afrikanina amin’ny torapasika ny Teqball malagasy, olon-droa miaraka lahy sy vavy nahitana an’i Fani­risoa Richia sy i Diarra Spencer Erickson. Fihao­nana, notanterahina tao Hammamet Tunisie, omaly alatsinainy 26 jona. Niady ny medaly volamena tamin’i Nigeria izy ireo. Tafita amin’ny lalao eran-tany, tanterahina […]

Tenisy – « Davis Cup 2023 »: Mijanona « Groupe V » i Madagasikara

Nihintsana teo amin’ny manasa-dalana ny fifaninanana eran-tany « Davis Cup », izay atao any Kinshasha, ny ekipam-pirenena malagasy, taranja tenisy. Mijanona ao amin’ny “Groupe V” kosa anefa izy ireo. Lavon’i RD Congo, mpampiantrano ny fifanintsanana, tamin’ny isa 2 no ho 1, i Madagasikara, ny sabotsy lasa teo. Teo amin’ny lalao “Simple 2”, […]

“World Cup U19”- Ampahavalon-dalana: I Espagne na i Frantsa no miandry ny Ankoay

Fandresena voalohany ary manan-tantara eo amin’ny tontolon’ny basikety malagasy, ny nandresen’ny Ankoay ny ekipan’i Liban, ny alahady teo, ao anatin’ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja basikety U19. Fifaninanana tontosaina any Debrecen Hongrie. Laharana fahatelo vonjimaika, miaraka amin’ ny Slovenie i Madaga­si­kara, ao amin’ny vondrona B, rehefa resin’i Etazonia ary nandresy […]