Seho indroa miditra avy hatrany ny anio. Ho famaliana ny hetahetan’ireo marobe te hahita mivantana ny seho ao amin’ny Kianja Masoandro, ao Anatirova io. Nasiana fidirana manokana izay mirary ihany koa, ho valin’ny fangatahana hatrany. Izay ny antom-pisiany. Natao hamerenana ny tantaran’ny mpanjaka, izay miaraka amin’ny tantaran’ny Rova ihany koa […]
Taratra
Fotoam-pialan-tsasatra: miantso ny tanora ny «Mozean’ny saripika »
« Ry tanora zandry sy zanaka. Ho avy ny fotoanan’ny fialan-tsasatra, hakana aina sy hamerenana ny herim-batana sy ny herin-tsaina. Hanovozanana fahalalana ivelan’ny rindrin’ny sekoly. Ho anareo no ijoroan’ny « Mozean’ny saripika » eto Anjohy. Hizaranay fahalalana mikasika ny tantara ». Fanentanana sy antso notanterahin’ny tomponandraikitra eo anivon’ny « Mozean’ny saripika », ho an’ny ankizy sy […]
Kitra – Orange Pro League: hanala vela amin’ny Fosa Jr ny Ajesaia
Hotanterahina manomboka anio ny lalao manasa-dalana miverina amin’ny fifaninanam-pirenena “Playoff Orange Pro League (OPL)”. Anisan’ireo lalao tena andrasan’ny maro ny fihaonana eo amin’ny Fosa Junior Boeny sy ny Ajesaia Bongolava. Fifanandrinana hotontosaina ny alahady ho avy izao, any amin’ny kianja Rabemananjara Mahajanga. Mbola manala vela ny mpilalaon’i Bongolava satria efa resin’ny […]
Rugby – Lalao fihantsiana: hitsapa ny herin’ny Makis ny University of Bristol
Handray lalao iraisam-pirenena indray ny rugby malagasy. Hotanterahina etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, rahampitso alahady 25 jona, ny fihaonana fihantsiana, hikatrohan’ny Makis de Madagascar “senior” sy ireo mpianatra avy any amin’ny oniversiten’i Bristol, Angletera. Tafiditra ao anatin’ny fitetezam-paritra ataon’ireto Anglisy ireto ity fihaonana ity, ary fiomanan’ny ekipam-pirenena malagasy, amin’ny fifanintsanana […]
Ravinala Airports: hetsika manokana eny Ivato
Nosantarina omaly, ny fankalazana ny faha- 63 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, tantanin’ny Ravinala Airports S.A. Taorian’ny fananganan-tsaina, nisy ny tranoheva mampahafantatra ireo sampandraharaha mifarimbona amin’ny asa andavanandro, ny fiarovana sy ny fiantohana ary ny vonjy taitra an’ity seranam-piaramanidina ity. Anisan’izany ny zandarimaria, ny polisim-pirenena manara-maso […]




