Taratra

Hanafenany ny endriny…: mahavita mampiasa solovolo ireo jiolahy

Ravan’ny polisy tao Antsirabe, ny tambajotran-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana mahery vaika, ny sabotsy lasa teo. Enina mianadahy ireto jiolahy ireto no nifanehatra tamin’ny polisy tamin’io fotoana io. Nanano sarotra ny fanenjehana ireo olon-dratsy satria efa nandritra ny enim-bolana no nifanenjehana tamin’izy ireo, araka ny fanazavana voaray avy amin’ny polisy. Tsy […]

Fanafihana mahery vaika: roa lahy voatifitra, vehivavy roa takalonaina

Namoy ny ainy voatifitry ny dahalo ny roa lahy mianaka. Nalain’ireo olon-dratsy an-keriny ny vehivavy roa. Habibiana mahatsiravi­na !  Nasesin’ny dahalo novonoina tao amin’ny trano fonenany ny raim-pianakaviana sy ny lehilahy iray hafa tao amin’ny fokontany Sahamamy, distrikan’Am­pa­rafaravola, ny alin’ny 23 jona hifoha ny 24 jona teo. Ni­tondra fitaovam-piadiana ma­hery vaika, niditra […]

CUA-SMA…. Notokanana ny STBV ao amin’ny EPP Antanjombe Avaratra

Notokanana omaly, ny toerana fanodinana tay ho lasa akora azo ampiasaina (STBV, Station de Traitement des Boues de Vidange), ao amin’ny EPP Antanjombe Avaratra – Ambohimanarina, Boriboritany faha-6. Tanjona ny hahafahana mamatsy « biogaz » sy herinaratra ho afaka hampiasain’ny « cantine »-n’ ny EPP. Mamatsy zezika ahafahana mikarakara ny […]

Andron’ny firaisankina ho an’ny ankizy: nizara fanomezana 2 000 ny Orange 

Ho fanamarihana ny fetin’ny fahaleovantena, nanolotra fanomezana (nahitana arendrina, sakafo, boky…) ho an’ny ankizy 2 000 ny orinasa Orange Madagascar manerana ny Nosy miaraka amin’ny sampandraharahan’ny minisiteran’ny Mponina any an-toerana. “Ankizy 1 000 anatin’ny faritra 13 ny iantefan’ny hetsika, ankoatra ny eto Antananarivo, ho fanamarihana ny Andro ho an’ny firaisankina ho an’ny […]

Tenisy – « Davis Cup »: hihaona amin’i RD Congo i Madagasikara

Tafita hiatrika ny dingan’ny “Playoff  Davis Cup, Groupe V”, taranja tenisy, izay tanterahina any Kinshasa, ny ekipam-pirenena malagasy. Hihaona amin’i RD Congo, voalohany tao amin’ny vondrona C, i Madagasikara, lohany ao amin’ny sokajy B. Lavon’izy ireo, tamin’ny isa 3 no ho 0, ny mpilalaon’i Ouganda, omaly. Teo amin’ny lalao “Simple […]