Taratra

Kitra- Zazavavy U15: tompondaka ny ekipan’ny CEG Nanisana

Nifarana afakomaly, ny fifaninanana an-tsekoly, ta­ranja baolina kitra, sokajy zazavavy U15. Voahosotra ho tompondaka ny ekipan’ ny CEG Nanisana. Nandresy ny ekipan’ny CEG Antanimbari­nandriana, tamin’ny isa 2 no ho 0 izy ireo. Araka izany, laha­rana faharoa ny CEG Anta­nimbarinandriana, fahatelo ny kolejy Masina Misely Am­paribe. Voafidy ho mpiandry tsatoby mendrika […]

Kitra – Fifanintsanana «Can 2024» : Voatazon’ny Barea ady sahala ny Black Stars Ghana

Nahavelombolo ny rehetra ny endri-dalaon’ny Barea de Madagascar nanoloana ny Black Stars Ghana, teo amin’ny andro fahadimy, hiadian-toerana ho an’ny “Can 2024”. Tsy navelan’ny Malagasy nikofoka mihitsy ry Ayew mirahalahy. Nisaraka ady sahala samy tsy nisy nitoko ny Barea de Mada­gas­car sy ny Black Stars Ghana, teo amin’ny andro fahadimy, […]

“The chosen” : voadika amin’ny teny malagasy

Nampahafantarina tamin’ ny fomba ofisialy, tetsy Ando­hatapenaka, teny amin’ny Canal olympia, ny sabotsy teo, ny horonantsary Ameri­kana: “The chosen”, izay nadika tamin’ny fiteny ma­lagasy. Andian-tantara nalaina tao amin’ny baiboly, manasongadina ny fiainan’i Jesoa Kritsy nanomboka teo amin’ ny faha-28 taonany sy niarahany tamin’ny Apostoly 12 lahy. Handeha amin’ny fahitalavi-pirenena, manomboka […]

CUA – Tropy Jeannette : nahaliana ny tanora ny nilalaovana ny tantara « HM »

Ho an’ny sasany, «sambany». Ho an’ny hafa, «hay ve tahaka izany no atao hoe teatra». Ho an’ny ankamaroan’ ny tanora tonga tetsy anolo­an’ny Lapan’ny Tanànan’ Antananarivo Renivohitra : «tena liana be izahay. Heveri­nay fa mitovy amin’ilay tantara nolalaovinay tany am-piangonana…» ! Nahaliana ny tanora ny nilalaovan’ny Tropy Jeannette amin’izao fotoana […]

« mozikara » : mpanakanto 300 nanentana

Raha ny efitrano na ny tokontany malalaky ny AFT Andavamamba no nahazatra hatramin’izay. Tamin’ny alalan’ny “Carnaval Mozikara” indray no nentina nanamarika ny «Fête de la musique», tamin’ity taona 2023 ity. Niainga teo Mandrimena, nandalo an’Andoharanofotsy, tonga teo Tongarivo Tanjom­bato, izay nolalovan’ny «Car­naval», voasarika ny hijery avokoa. Nahatratra 300 mahery rahateo […]