Taratra

Atletisma – «Mada 2023»: hatao eo Mahamasina ny fifaninanam-pirenena

Nambaran-dRaherison Dominique, filohan’ny federasiona malagasin’ny atletisma (FMA) fa hotanterahina eo amin’ny “piste tartan” ao amin’ny kianja Barea Maha­masina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasika­ra, taranja atletisma, sokajy rehetra amin’ity taona ity. Araka ny tetiandro napetraky ny federasiona, hatao ny 30 jona ka hatramin’ny 2 jolay izany. Mandray anjara amin’izany avokoa […]

Can sy Mondial 2026 : hojerena manokana ny mpilalaon’ny Barea

Manomboka izao, handray an-tanana ny fanohanana ny Barean’i Madagasikara ny minisiteran’ny Fanatanjahantena. Tanjona ny hanao Can sy Mondial 2026. «Hiditra an-tsehatra amin’ny fa­nampiana ny Barea de Madagascar, ny minisitera mpiahy manomboka anio», hoy i Haja André Resampa, minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS), omaly, raha tonga nitsodrano azy ireo, […]

Vokatry ny rivodoza : niakatra ho 300 Ar ny fonosan-tsira

Velon-taraina ny mpanjifa fa niaka-bidy ny sira. Nisy ta­min’ireo tsena sasany aza tsy nahitana izany mihitsy. Anke­hitriny, niakatra ho 300Ar ny fonosana sira vovony amin’ ireo 200grama raha mbola 250Ar izany teo aloha. “Nanomboka tamin’ny alarobia teo ity fiakarana ity”, hoy ny fanaza­van’ny renim-pianakaviana iray. Niakatra ho 500Ar ihany koa […]

Taptap Send-MVola : maimaimpoana ny fandefasana vola

Azo atao, ankehitriny, ny mandefa vola mivantana avy any andafy mankaty Madaga­sikara. Ampiasaina ny « appli­cation Taptap Send” ka mirotsaka mivantana ao amin’ny kaonty MVola. Ahafahana mandefa vola avy any Eoropa, Canada, Emirats Arabo Mi­tambatra ary Etazonia mankany amin’ny firenena maro ny Taptap Send, anisan’ny mpiara-miombon’antoka ara-bola mendrika. Haingana, niome­rika ary azo […]