Taratra

Horonantsary Mikea : resy lahatra ny mpijery ny tokony hisokafan’ny Base Toliara

Naseho, omaly zoma, ny horonantsary fanadihadiana mikasika ny fiainan’ny Mikea, notontosain’i Jean Claude Vinson. Nahatratra 1 300 ny mpijery tao amin’ny efitrano malalaka Basia any Toliara. Hita fa tsy mahakasika ny Mikea ny tetikasa Base Toliara, ka tokony hosokafana satria hitondra fampandrosoana. Taterin’ilay horonantsary fa mivelona amin’ny ala, mihaza sy […]

Iray volan’ny ankizy : maneho ny hetahetany i Bertrand, zaza varira

Zanak’olona sahirana mipetraka any ambanivohitr’i Faradofay i Bertrand. 15 taona izy ary kilasy fahadimy. Hanala fanadinanana CEPE avy hatrany izy amin’ny talata izao. 5 mianadahy izy ireo no zanaky ny ray aman-dreniny ary samy varira avokoa. Efa indroa nisy naka an-keriny i Bertrand saingy avotra teo am-pelatanan’ny olon-dratsy hatrany. Nisy […]

Fakan-kevitra : lasa any Frantsa ny Mihava Tour

Tsy eto an-toerana. Na­nainga, omaly lasa any Frantsa ireo delegasion’ny Mihava Tour, maromaro, tarihin’ny depiote Randrianaso­loniaiko Siteny. Anisan’ny anton-dian’izy ireo ny hihaona amin’ny ireo zanaka am-pielezana Diaspora any Eoropa. “Hihaino ny hetahetan’ny vahoaka tsy an-kanavaka izahay. Anisan’izany ireo mala­gasy any ivelany. Mba manana ny fomba fijeriny ny raharaham-pirenena izy ireo. […]

Fifidianana: mbola mila mpanara-maso 15 000 isa ny Safidy

Niantso mpilatsaka an-tsitrapo. Naneho fahavononana amin’ny hanaraha-maso ny fifidianana ny eo anivon’ny biraon’ny Sampana Anaraha-maso ny Fifidianana, Ivon’ny Demokrasia Ifarimbonana na SAFIDY, teny Ambatonakanga. Nivoitra tamin’ny fa­nam­barana nataon’ity vondrona mpanara-maso ny fifidianana ity ny antso ho an’ny olom-pirenena hilatsaka sy handray andraikitra an-tsitrapo sy tsy misy tambiny ho mpanara-maso ny […]

Fanomanana ny CEPE : tara vao tonga ny vola hividianana fitaovana

Nitaraina ireo talen-tsekoly tsy miankina sasany re­hefa naka ny taratasy fian­tsoana ny mpiadina ao aminy fa nangataka vola hanampiana amin’ny fampandehanana ny fanadinana ny lehiben’ny foibem-panadinana. Tara ny fahatongavan’ny vola avy amin’ny minisiteran’ny Fa­nabeazam-pirenena ka 20% amin’ny sora-bola ilaina aloha no eo am-pelatanan’ny tomponandraikitry ny foibem-panadinana. 200 Ar ka hatramin’ny […]