Nentin’ny FFKM am-bavaka tetsy amin’ny FLM 67ha, omaly, ny faha-63 taona niverenan’ny Fahaleovantena sy ny fetin’ny Foloalindahy. Nohazavain’ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako tamin’izany ny dingana irosoana amin’ilay fihaonambem-paritra. “Mahamenatra raha tsy mahita vahaolana ho antsika isika. Natao hifampihainoana sy hiresahana ny fihaonambem-paritra tanterahan’ny fiangonana io”, hoy izy. Notsiahiviny fa natao hananganana […]
Taratra
Minisitra Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana : « Tsy misy lalàna manakana ny Malagasy hanana zom-pirenena hafa »
Manolona ny resabe momba ny sata mifehy ny zom-pirenena (Code de la nationalité) malagasy, nanazava ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana. Nambarany fa ny didy hitsivolana (Ordonnace) laharana 60-064, nivoaka ny 22 jolay 1960, nasiam-panovana sy notovanana (amendé) no mamaritra izany, manomboka eo amin’ny andininy faha-9. Voafaritra ao ny […]
Misy fotsifotsy saina
63 taona no niverenan’ny Fahaleovantena. Hatramin’izao, misy hatrany ny miroaroa saina: mila manangan-tsaina ve, hono, ny tena sa tsia? Misy aza ny manao anditra na mifanditra amin’izany. Nahoana? Ny itsitokotoan’ny loha, samy manana ny heviny. Ny tanàna koa tsy ilaozan’adala? Na izany aza, tsotra ny resaka tsy azo ifanerena: izay […]
Tora-bato sy lakrimozenina: nifampitana ny Emmo-Reg sy ny mpitolona
Voasakana ny kongresim-paritry ny Tim tao Antsirabe. Niditra an-tsehatra nandrava izany ny Emmo/Reg. Raikitra ny tora-bato, nirefodrefotra ny baomba mandatsa-dranomaso. Mbola niantsena tao Sabotsy ny filoha teo aloha, Ravalomanana, tamin’ny 10 ora ny marainan’ny sabotsy teo raha efa nametraka sakana kosa ny Emmo/Reg. Tsy navelan’izy ireo niditra ny Magro Avaratsena […]
fikambanana varira : voaroba ny tranon’ny filohany
Notafihin’ny jiolahy ny tokantranon’ny filohan’ny fikambanana varira eto Madagasikara, Soja Fulgence ao Maevatanana, ny sabotsy maraina tamin’ny 9 ora sy 30 mn. Very nandritra ity fanafihana ity ny entana sarobidy rehetra niharian’izy mivady an-taona maro. Nambaran’i Soja Fulgence fa samy tsy teo an-toerana izy mivady tamin’io fotoana io fa ny […]




