Tokony hisy ny fifandrindrana asa eo amin’ny rafitra mpibaiko sy ny mpanatanteraka, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa… Mamita iraka any amin’ny faritra Atsinanana ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Serge Gellé, hotronin’ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo […]
Taratra
Fifanaraham-piaraha-miasa : harenina ireo TVM/RNM simba any amin’ny faritra
Maro ireo faritra sahirana amin’ny fahazoana ny haino aman-jerim-panjakana TVM sy RNM. Vokatry ny takaitra navelan’ny rivodoza nifanesy, indrindra i Freddy, ny ankamaroany, any amin’iny faritra avaratra atsinanana ka hatrany atsimo atsinanana iny. Ankoatra ireo asa maika efa nataon’ny eo anivon’ny Ofisim-pirenena misahana ny onjampeo sy ny fahitalavi-pirenena (ORTM), izay […]
SÔRONGO 2023 : fantatra avokoa ireo mpanakanto
«Ambanja rendez-vous», hoy ny hiran’ny Dr JB. Fotoana ifanomezana tokoa ny «Festival Sôrogno” isan-taona. Nanatombo ireo mpanakanto handray anjara amin’ity. Anisan’ireo «festival» ankavitsiana tsy niato hatramin’izay nisiany ny «Sôrogno any Ambanja. Antony iray mampipetraka ny lazan’ity hetsika ara-kolontsaina sy ara-toekarena ity ny fiomanana mialohan’ny fotoana. 3 volana mahery alohan’ny fotoana […]
Ankatoky ny fety : mifanaretsaka ny mpivarotra sy ny mpividy
Higadona afaka 12 andro ny fetin’ny Fahaleovantena. Mifanisa amin’ny mpividy ireo mpivarotra eny an-tsena sy eny amoron-dalana. Tena mameno ny tsena ireo mpaka entana amidy any ambanivohitra amin’izao fotoana, raha ny filazan’ny mpamongady. Ny fetim-pirenena rahateo no tena lanonana any amin’ny faritra maro manerana ny Nosy satria sady miaka-bokatra. Mbola […]
Ankatoky ny fanadinana : maro ireo mpiadina tsy matoky tena
Midodododo manenjika ireo toerana fanaovana “cours” na famerenan-desona faramparany amin’izao ankatoky ny fanadinana izao, ireo tanora hiatrika ny fanadinana BEPC sy bakalorea. Antony ilàn’ny tanora tohana manokana ny tsy fahatokisan-tena, raha ny fanazavana nentin’ny mpampianatra mpanabe. Miahiahy sy mitebiteby ka mila alamina ny sainy mba hanana fahatoniana. “Mandavan-taona ny fianarana […]




