Tsy nampoiziny ! Saron’ ny zandary mpanao sakana sy fisafoana ny lalam-pirenena faha-34 tao Ankazomiriotra sy Vinany ny fiara tsotra iray ampiasaina hitaterana mpandeha an-tsokosoko, omaly. Voatery nandray fepetra tamin’ny mpamily avy hatrany ny zandary ka nogiazana ny fiara. Nandritra ny fisavana ny antontan-taratasin’ny fiara, voamarina fa tsy manana fahazoan-dalana […]
Taratra
Ankadikely: jiolahy lavo teo am-pianihana tamboho
Tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny, jiolahy iray maty voatifitry ny zandary teo am-pianihana tamboho tao amin’ny fokontany Andafiavaratra, kaominina Ankadikely, omaly maraina. Efa tafiditra tao anatin’ny tanàna nokasain’izy ireo ho robaina ny roa tamin’ireo olon-dratsy, tamin’ny 2 ora maraina. Mbola nianika ny fefy kosa ny iray namany. Nampandre ny […]
Naiditra am-ponja vonjimaika… : teratany nizerianina roa lahy nahatrarana “méthamphétamine”
Mahita hirika foana! Naiditra am-ponja vonjimaika, omaly, ireo teratany nizerianina roa lahy sy vehivavy iray nahatrarana zava-mahadomelina mahery vaika “méthamphétamine” teny Mandriambero-Ambohidratrimo. Voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ ny zava-mahadomelina (Stup) Anosy, ireto mpanao trafikana zava-mahadomelina ireto, ny 9 jona 2023 atoandro, niaraka tamin’ny “méthamphétamine”. Niainga avy amin’ny […]
Niady mafy tamin’ny aretina… : nodimandry i Anja, Agence Lolita
Tokony ho notontosaina omaly, ilay seho tolo-tanana ho an’i Anja… Indrisy, hafa ny lahatra, ka nodimandry ny sabotsy teo i Anja Andriantiana. Fantatry ny maro eo amin’ny tontolon’ny filatroana, amin’ny maha tomponandraikitra voalohany ao amin’ ny Agence Lolita azy, izy. Ny voalohandohan’ny taona 2022 no nahafantarana voalohany fa misy homamiadana i […]
Seho tokana nataon’i Gims : afa-po ny rehetra tao anatin’ny fampisehoana
Notanterahina teny amin’ ny Kianja Barea Mahamasina, ny sabotsy 10 jona 2023, ny fampisehoana nataon’i Gims, teto Madagasikara. Seho tokana notanterahin’ity vahiny mpanakanto ity ho an’ny mpankafy azy teto an-toerana iny natao teny Mahamasina iny. Tao anatin’ny hafaliana tanteraka no nihaonan’ny mpahay kanto sy ny mpankafy azy . “Tratra hatrany […]




