Tontosa omaly, teny Antsahamanitra, ny fampisehoana niarahana tamin’ny tarika Kiaka. Seho niavaka no natolotry ny tarika ny mpankafy azy sy nentiny nanome fahafaham-po azy ireo. Nampiavaka ity fampisehoana ity ihany koa ny fanotronan’ny taranaky ny tarika. Mbola tsy lefy laza fa mbola manana ny maha izy azy ny tarika na […]
Taratra
Fiarahana amin’ny tanora… : nahazo aina vao ireo hiran’i Erick Manana !
« Nampiakarina mpanakanto an-tsehatra ihany koa no niantombohako », hoy ny fitantaran’i Erick Manana matetika… Antony iray iarahany miasa amin’ireo tanora mpanakanto io, indrindra isaky ny mandalo manao fampisehoana an-tanindrazana izy. Niavaka indrindra tamin’ny seho izay nataony teto, nandritra ny 45 taona niakarany an-tsehatra, izay niseho tetsy amin’ny CCesca Antanimena, ny sabotsy […]
Tetikasa Produir: trano fonenana 87 haorina eny Andavamamba
Miisa 700.000 ny mponina eto Antananarivo, miaina eny amin’ny toerana iva, mora tratry ny rano. Anisan’ny asa maika tsy miantsy hatao ny fanadiovana ny lakandrano C3. Mahatratra 115.000 m3 ny fotaka mila esorina, ary tsy maintsy hafindra toerana ny mponina mipetraka manodidina ny lakandrano. Laharam-pahamehana ataon’ny tetikasa Produir, ny fanarenana […]
Faritra arovana Masoala : 100.000 dolara ho an’ny Medd
Notoloran’ny filohan’ny valanjavaboahary Zoo de Zurich any Soisa, taratasim-bola 100.000 dolara ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd). Entina hanamafisana ny fitantanana ny Faritra arovana (AP) any Masoala io vola io. Nomarihina ny 9 jona 2023 teo, ny faha-20 taona ny nananganana ny valan-javaboahary Masoala Kely any Soisa, […]
Delestazy : tonga ny solika mavesatra
Efa eny Ambohimanambola ary azo ampiasaina ny solika mavesatra avy any Toamasina. Tanteraka izany taorian’ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny Jirama sy ny orinasa LPSA ary ny mpitatitra solika. Mbola mitohy ny fitaterana ireo solika mavesatra avy any Toamasina, ka hanomboka hiverina amin’ny laoniny tsikelikely ny famokarana sy ny famatsiana herinaratra […]




