Tombony lehibe ho an’ny haikanto malagasy ny fanatontosan’ny vahiny mpanakanto fampisehoana eto Madagasikara tahaka izao. Fotoana ahafahana mivelatra sy maneho ny maha izy ny kanto malagasy izany. Tontosa, omaly talata, teny amin’ny Galaxy Andraharo, ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, nampahafantarana ny momba ny fampisehoana hotontosain’i Maître Gims eto Madagasikara. […]
Taratra
Ankazobe : nanazava ny foto-keviny ny MMM
Mitohy ny fitetezam-paritra. Anjaran’ny tany amin’ ny distrikan’Ankazobe indray ny omaly, amin’ny fanazavan’ny antoko Malagasy miara-miainga ny foto-keviny sy ny raharaham-pirenena. Nitarika izany tany an-toerana ny loholona avy amin’ity antoko ity, Rakotondrainibe Ndriana sy ny sasany amin’ny birao politika. “Manohy ny fanabeazana ara-poto-kevitra sy maha olom-pirenena izahay. Andraikitry ny antoko […]
Radimbielson William : “Tsy midika Tetezamita ny fikaonandoham-pirenena “
“Tokony hisy ny fikaondoham-pirenena. Tsy midika izay hoe fitondrana Tetezamita. Na eo aza ny fifidianana, tokony hisy hatrany ny fikaonandoham-pirenena”, hoy ny filohan’ny fikambanana Fitaizana vatana tomady (Fivato), Radimbielson William. Tsy mila iray volana ny fanatanterahana izany, fa herinandro handaminan-javatra raha manam-piniavana hanavotra ny firenena ny rehetra. Tokony hojerena ny […]
Raholinarivo Paolo: “Tsy azo ekena ny Tetezamita”
“Ny fifanarahana tokony hatao eto: tsy ekena intsony ny Tetezamita, na iza na iza mampiditra an’izay eto. Na eo amin’ny fitondrana io, na mpanohitra, na antoko tsotra, na firongon’antoko.” Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Sendikàn’ny adminisitratera sivily (Synad), Raholinarivo Paolo Solonavalona. Fanambarana nataony manoloana ny fivoizan’ ny sasany fidirana amin’ny […]
Tohan-kevitr’ireo antoko miisa 10 : “Ho arofanin’ny mpanao politika ny fitsipi-pitondran-tena”
Nampitovy tadin-dokanga tetsy Ankadifotsy, omaly, ireo antoko politika miisa 10, momba ilay satan’ny fitsipi-pitondran-tena niarahana amin’ny FES sy ny eo anivon’ny Vondrona eoropeanina (UE). Hiditra amin’ny dingana manaraka ny rehetra aorian’izao. “Ho arofanina eo amin’ny mpanao politika io sata io. Ambony kokoa ny toe-tsaina miaraka amin’izany noho ny lalàna. Fahatsapan-tena […]




