Nanomboka ny zoma 26 mey teo, ny fanarenana ny ampahany amin’ny lalam-pirenena faharoa (RN 2). Mirefy 30 km ity andiany voalohany ity, izay anisan’ny tena ratsy, eo Manjakandriana (PK 48+720) hatreny Anjiro (PK 78+100), miampy ny tetezana eo amin’ny PK 117. Efa eny an-toerana ny fitaovana vaventy ampiasain’ny orinasa CHEC. […]
Taratra
Sakafo andavanandro : ahiana mbola hiaka-bidy ny atody
Anisan’ny sakafo be mpividy sy maro mpihinana ny atody. Tato anatin’ny fotoana vitsy tsy nitsaha- niakatra anefa ny vidiny. Amin’izao 700Ar ny atody iray ary ahiana mbola hiakatra hatrany izany amin’izao vanim-potoan’ny fety izao. “Tsy nisy nanam-po mihitsy hoe ho lasa 700Ar ny vidin’ny atody raha tsy mba nandalo fiakarana […]
Havandra tany Alaotra : hojerena manokana ny fiahiana ny tantsaha
Amina hekitara ny tanimbary potiky ny havandra any amin’ny faritra Alaotra Mangoro, ny alakamisy 25 mey teo. Nidina ifotony nijery ny zava-misy ny governoran’ny faritra, niaraka tamin’ireo tomponandraikitra isan-karazany, ny sabotsy 26 mey. Nambarany fa hanolotra masomboly ho an’ny tantsaha ny fanjakana malagasy ho fitsinjovana azy ireo. Eo ihany koa […]
Sesame sy Ravinala Airports: tohanana ny tanora sahirana eny Ivato
Manamafy ny asa amin’ny maha tompon’andraikitra azy eo amin’ny fiaraha-monina (RSE) ny orinasa Ravinala Airports. Ao anatin’izany ny fampiroboroboana ny fanabeazana, nanaovana fifanarahana amin’ny fandaharanasa Sesame. Tanjona ny hanohanana ny tanora malagasy sahirana, hahafahany manohy ny fianarany eny amin’ny oniversite ao anaty tontolo mendrika mandrapahatongavany eo amin’ny sehatry ny asa. […]
Sokatra mampiavaka an’i Madagasikara : ahiana ho lany tamingana ny angonoka
Nosy manan-karena sy manana karazan-javamananaina maro isan-karazany i Madagasikara,anisan’izany ny angonoka. Ahiana ho lany tamingana anefa ity sokatra ity noho izy efa an-kavitsiana sisa. Manao antso avo ny hamerenanan’ireo izay miompy azy ny Turtle survival alliance Madagasikara. Nankalazaina ny 22 mey teo ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny karazan-javamanaina (JIB). Nisy […]




