Nanao loza intelo nisesy, nandositra polisy ka nifatratra tamina fiara tsy mataho-dalana ny fiara iray nentina mpamily mamo, tetsy amin’ny Rocade Tsarasaotra, omaly tamin’ny 12 ora sy sasany. Avy nifaoka fiara Golf tetsy Anosivavaka, nandositra ny polisy nanao ny constat niaraka tamin’ny fiara nentiny marika Duster ny mpamily. Efa mamon’ny […]
Taratra
toliara : misongadina ny vehivavy
Nisongadina nandritra ny fakan-kevitra, natao tany Toliara, ny anjara toeran’ny vehivavy amin’ny sehatry ny fampandrosoana. Manaporofo ny fanadihadiana nataon’ny minisiteran’ny Mponina fa ny vehivavy no tena fanoitra ho amin’izany. Sady manana fahamatorana amin’ny fitantanam-bola no mahomby amin’ny fitehirizam-bola izy ireo raha miohatra amin’ny lehilahy. Nahitana izany ny fanaraha-maso taorian’ny fizarana […]
Fadimbolana : hamafisina ny fifampiresahana eo amin’ny mpianaka
Nankalazaina ny faran’ny herinandro teo ny Andro maneran-tany ho an’ny fahadiovana mandritra ny fadimbolana. Nanatanteraka izany teny amin’ny paroasy Anosy avaratra sy Ambohitsoa ny fikambanana fanilon’i Madagasikara, eto Antananarivo. Tanjona ny hampahafantarana ny rehetra fa ilaina sy zava-dehibe ny fahatongavan’ny fadimbolana, ary ny fahadiovana mandritra izany eo amin’ny ankizivavy. Mbola […]
Autiste : azo ampisaina ny fihetsika
Nijanona teto Madagasikara nandritra ny iray volana sy tapany ny orthophoniste belge sady mpampiofana, Dominique Ruidant. Nanao fifampizarana ny fomba fifaneraserana amin’ny alalan’ny fihetsika (sesame) amin’ny olona hafakely izy, hoy ny tomponandraikitry ny tetikasa ao amin’ny Autisme Madagascar, Ravelonarivo Mihanta. Miainga amin’ny fampiasana ny tenin’ny tanana izany. Fanehoana sy fizarana […]
Faritra Sofia: notohanana ara-pitaovana ireo tomponandraikitra eny ifotony
Nahazo ny fitaovana mifanaraka amin’ny andraikiny avy ireo mpitantana eny ifotony sy ny hery mampihodina ny fiainam-bahoaka ao amin’ny faritra Sofia. Nizara fitaovana maro ho an’ny mpitantana eny ifotony ao Sofia ny fitondram-panjakana, ny faran’ny herinandro teo. Nitarika ny delegasiona tany Boriziny ny minisitry ny Mponina sy ny fiahiana sosialy […]




