Namoaka ny hafatra Pantekoty ny eo anivon’ny FFKM, omaly. Nivoitra tamin’izany ny antso avo nataon’ireo raiamandrenin’ny fiangonana manoloana izao toe-draharaham-pirenena : sosialy, toekarena, politika… izao. “Hamafisinay ny antso avo ho an’ ny tomponandraikitra sy ny hery velona rehetra eto amin’ny firenena fa ilaina ny fifampidinihana an-databatra, iarahantsika mitady vahaolana handresena ny […]
Taratra
Asa mankany Canada : Fito vavy very 10 tapitrisa Ar, naiditra am-ponja ilay mpisoloky
Naiditra am-ponja vonjimaika, taorian’ny fitsarana azy, afakomaly, ny mpisoloky iray ho mandefa mpiasa any Canada. Nisandoka tamin’ny olona maro, noraisim-potsiny tetsy amin’ny trano fonenany ao Antanetibe, Talata Volonondry io renim-pianakaviana io sy ny mpiray tsikombakomba aminy. Tsikaritry ny manodidina ny fanangonan’io renim-pianakaviana io vehivavy maromaro isan’andro. Amin’ny alina anefa ireo […]
Mpanendaka : voatifitra tetsy Ampasika i Nanando
Nirefodrefotra indray ny basy ! Lavon’ny balan’ny polisy i Nanando, jiolahy efa ikoizana amin’ny asa fanendahana miharo vono olona teto an-dRenivohitra, tetsy Ampasika, omaly. Mpameri-keloka, efa nokarohina hatry ny ela ity olon-dratsy lavo ity. Mitondra basy, manendaka eny amin’ny faritra Manarintsoa io jiolahy io sy ny namany. Ao anatin’ny andro […]
Hitan’ny caméra : mpamaky trano voasambotra
Noraisim-potsiny ny lehilahy iray namaky trano, tao amina fokontany Avarakady, kaominina Ambohimanga Rova, ny alakamisy teo. Tsy nisy olona tao amin’io tokantrano io. Tonga hanadio trano toy ny mahazatra ny mpiasa roa vavy kinanjo efa nahita lehilahy iray tao anatin’ny trano. Heverin’izy roa vavy ho vahinin’ny tompon-trano io lehilahy io. […]
DGSR – Hetsika Pantekoty hieren-doza… : tsy handeferana ireo fiara tsy manara-dalàna
Hanatanteraka hetsika fitsirihana ara-teknika ireo fiara mifamoivoy an-dalambe mandritra ny fito andro (omaly hatramin’ny 1 jona 2023), ny foibe fitsarana fiarakodia (DGSR), amin’ny alalan’ireo sampandraharaha misahana ny hetsika sy fitsirihana ara-teknika an-dalambe… Eo koa ireo ivontoerana fitsarana fiarakodia manerana ny Nosy noho ny fahamaroan’ireo fianakaviana manam-pikasana hitondra fiara hisintaka ny […]




