Taratra

CUA : notokanana ny birao vaovao eny Antsahabe

Nahazo biraom-panjakana vaovao ny eo anivon’ny kaominina Antanana­rivo Renivohitra, eny Antsa­habe. Tonga nitokana izany teny an-toerana ny ben’ny Tanà­nan’Antanana­rivo Renivo­hi­tra, Andrian­tsitohaina Naina, sy ny Filo­han’ny fi­lankevitra mo­nisipaly, Rali­tera Andriam­pa­rany, omaly. “Natokana hi­asan’ny de­partemanta mi­­sahana ny fananan’ny kaominina io birao vaovao io ary hahafahana mifanerasera amin’ ny mponin’ Anta­­na­narivo”, hoy ny ben’ ny […]

CHU SSPA: nitombo ny olona tratran’ny fahakivian-tsaina tanteraka

Hopitaly mahavantana ny olona ny CHU SSPA eo Analakely. Manana sampana misahana ny fahasalaman’ny saina izy ireo. An-jatony isan-taona ny olona tonga manatona. Mampiavaka ny CHU SSP Anala­kely ny sampana ho an’ny fahasalaman’ny saina. Manome fitsaboana sy fandraisana an-tanana ary fanohanana ara-tsaina ireo olona manana olana ara-tsaina, midoroka zava-ma­hadomelina, olona mifanintona… […]

« Sokela, la parole du Sud » : Voaresaka avokoa ny zava-misy ankehitriny

Nivoaka indray ny « Soke­la, la parole du Sud », andiany fahafolo. Izy ity izay gazety boky nosoratan-dRasa­moelina Henri, mpanoratra sy mpahay tantara, ary niarahany niasa tamin’ny « Editions Universitaires Européennes » ny fanontana azy. Mbola any ivelany ihany no ahitana ny boky amin’izao ary efa eo am-panatanterahana ny hanaparitahana azy eto Madagasikara ny […]

Fanamarihana ny faha-15 taona : nankasitrahan’ny minisitera ny mi’Ritsoka Production

15 taona tsy niato, teo amin’ny sehatry ny famokarana fampisehoana sy fampitaovana hetsika ny mi’Ritsoka Production. Nomena mari-boninahitra ny tale jeneraly ho fankasitrahana ny zava-bitan’ity orinasa ity. Lanonana niavaka. No­toloran’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera ny mari-boninahitry ny kanto, “Officier de l’ordre des arts, des lettres et de la culture” […]