Taratra

Basikety – “Mondial U19/3×3”: halefan’ny Canal + manontolo ny lalaon’ny Ankoay

Handeha amin’ny Canal Evenement avokoa ny lalao rehetra hatrehin’ny Ankoay, mandritra ny fiadiana ny amboara eran-tany miisa 2. Ho hitan’ny mpanohana avokoa na ny ho an’ny U19 lehilahy na ny Ankoay Senior 3×3. Nampahafantarina, ofisialy, omaly, teny Andraharo, fa handeha ao amin’ny Canal Eve­nement, avokoa ireo lalao rehetra hatrehin’ny Ankoay, […]

KMF/Cnoe : “Mila fakan-kevitra ny fanatsarana ny lalàm-pifidianana”

Hatramin’izao, mbola re­saka tsy vita na mahabe adihevitra ny amin’ny lalàm-pifidianana? “Inona no tian’ny mpanoratra hahatongavana?”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert, ny amin’ny hoe fandinihan’ny governemanta ny amin’ny volavolan-dalàna momba ny lalàna fehizoro lah. 002-2023/PL izay manitsy sy mameno ny fepetra sasany ao […]

Bianco – Toamasina: ben’ny tanàna roa teo aloha nohadihadiana

Nanao ranolava, mivoaka miditra ny biraon’ny Bianco, tao anatin’ny telo herinandro izao, ireo mpiasa maromaro eo anivon’ny kaominina Toa­masina. Anton’izany ny fanahiana ny firongatry ny kolikoly sy ny fanaovana hosoka ao amin’ny fiadidiana ny Tanàna. Anisan’ny efa voaantso teny anivon’ ity sampandraharaha mahaleotena misahana ny ady amin’ny kolikoly ity ny […]

Fivoriana eny Tsimbazaza : nahanjahanjan’ny depiote ny tatitr’ireo minisitra

Tsy fifanomezan-kasina sy lonilony mbola mitoetra ? Vitsy ny depiote manatrika ny tatitr’ireo minisitra isan-tokony, mifandimby eny amin’ny Antenimiera, Tsimbazaza. Tsy hita popoka hatramin’ny mpanohana ny fitondrana. Miisa 4, 10, 18 na mihoatra kely ireo depiote hany manaraka ny tatitra ataon’ireo minisitra, nanomboka, afakomaly. Miisa 48 ireo betsaka indrindra tamin’ny […]