Miavaka raha samy sekoly fanofanana miaramila ny sekoly miaramilam-pirenena na Semipi izay nankalaza ny faha-100 taonany tao Beravina – Fianarantsoa, omaly. Taninketsan’ny foloalindahy malagasy ny sekoly, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, Jly Rakotoarijaona Josoa. Tsy fanofanana fotsiny. “Mamolavola olom-pirenena vanona eo amin’ny fomba fisainana hatramin’ny fitondrantena”, hoy izy. Notoloran’ny […]
Taratra
Tora-bato avy any an-danitra
Tratry ny tampoka, tsy nahalehilahy ny mponina teto Antananarivo sy ny manodidina, omaly atoandro. Lanitra mazava, masoandro miposaka nosembantsembanan-drahona madinika nanamarika ny volon’andro ririnina. Tsy rony tsy ventiny, nirotsaka tampoka ny orana natevintevina, namorona fitohanan’ny fiarakodia teto ampovoan-tanàna. Nivadika ho kotro-baratra tsy ankijanona mandrak’alina. Nampiitatra ny fahatapahan-jiro lavareny na ny […]
Filoha Rajoelina Andry : nahavita be ny fitondrana !
Niara-nanamarika ny faha-100 taona ny Sekoly miaramilam-pirenena (Semipi), Fianarantsoa, ny filoha Rajoelina Andry, niaraka tamin’ireo fianakaviamben’ny Foloalindahy, omaly. Nasongadiny tamin’ny lahateniny tamin’izany ny ezaka vitan’ny fitondrana. Mivahiny any Fianarantsoa nanomboka omaly, mitohy anio ny delegasiona tarihin’ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina. Nitarika ny lanonana fanamarihana ny faha-100 taonan’ny Sekoly miaramilam-pirenena na […]
Misoloky Cash point : lehilahy voasambotra, mody alefany “sms” ny anarany
Mahita hirika hatrany! Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny lehilahy iray malaza ratsy amin’ny fisolokiana avolenta amin’ny Cash point. Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria, boriborintany faharoa (CSP2) Ambohijatovo izy, tamin’ny talata atoandro teo. Naharay fitarainana momba ity lehilahy ity ny polisy. Mpisoloky efa malaza ratsy eny an-toerana. Voalazan’ny […]
Andranomaimbo Antsirabe : dimy lahy mpaka trondro nosamborina
Hatolotra ny fampanoavana aorian’ny famotorana ataon’ny polisy ireo dimy lahy tratra naka trondro tao amin’ny farihin’Andranomaimbo, Antsirabe. Mampitaraina ny vahoaka sy ny manodidina ny fiparitahan’ ny trondro maloto avy ao amin’ity farihy ity. Tsy hay ny manavaka izany amin’ny trondro madio noho ny fikarakarana ataon’ireo mpaka azy mialoha ny hivarotana. […]




