Taratra

“World Cup 3×3”-“Match Test” : raraka teo amin’ny ampahefa-dalana ny Ankoay

Lalao miisa 3 no natrehin’ny ekipa malagasy Ankoay, ho fanomanana ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja basikety 3×3, ny faran’ny herinandro teo. Izany hoe, “tournoi” iray hifandonana amin’ireo ekipa Pro Senior, ao Serbie, ity lalao ity. Mafy ireo ekipa nifanandrina tamin’ny ekipa malagasy, araka ny namba­ran’ny mpanazatra saingy niezaka nanohitra […]

Madagasikara 30 – 10 Cameroun : manam-panantenana hiatrika Mondial indray ny XV Makis Ladies

Mbola azo lazaina fa mbola ao anatin’ireo ekipam-pirenena haka ny tapakila handraisana anjara amin’ny “World Cup” indray ny XV Makis Ladies. Resin’izy ireo tamin’ny isa 30 no ho 10 ny Lionan’i Cameroun. Mbola velombolo hiatrika ny “World Cup Rugby”, ny ekipam-pirenena malagasy XV Makis Ladies, amin’ity fifaninanana “Rugby Africa Women’s […]

Eto Madagasikara : manambady aloha loatra ny 40%-n’ny ankizivavy

Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Mponina, Rakotonirina Mia­risoa Patricia, omaly, fa ma­nambady alohan’ny faha-18 taonany ny 40%-n’ny ankizivavy malagasy. Efa mipetraka any amin’ny faritra Anôsy sy Androy ny fady na karazana dina amin’io fampanambadiana aloha loatra ny ankizivavy io. Hentitra ny amin’ny fanajana io fady io, araka izany, ny fiarahamonina satria […]

Antananarivo Renivohitra : nitsidika ny tsena Andrianjaka ny ben’ny Tanàna

Tonga nitsidika ny tsena Andrianjaka, eny Isotry, ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsito­haina Naina, omaly. «Ahitana karazan’entana ilaina amin’ny andavanandro eny an-toerana”, hoy ny delegen’ny mpivarotra, Rakotonarivo Frédéric Désiré. Anisan’izany, ny mpivarotra lamba, hani-masaka, momba ny fahasalamana, vy, brocanteur, hazo, contreplaqué… Mampiavaka ny tsena eny ny fisian’ireo mpanamboatra sy mpanakalo entana […]