Taratra

Tetikasa Art et biodiversité : misokatra ny fifaninanana

Nisokatra nanomboka omaly ka tsy hifarana raha tsy amin’ny 9 jolay izao, ny fifaninanana tetikasa “Art et biodiversité”, andiany faharoa. Atao izao hanamarihana ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny karazan-javamananaina, ny 22 mey lasa teo. Natao ho an’ireo mpanakanto sy fikambanana misehatra amin’ny tontolo iainana ity fifaninanana karakarain’ny Fondation des aires […]

Fanarenana ny endri-tany sy ny atiala : natsangana ny tetikasa “Tefiala” hanarenana ny ala simba

Mila arenina ny tontolo iainana mba hanatsarana ny endri-tany sy ny atiala ary ny fiveloman’ny vondron’olona ifotony. Tafatsangana ny tetikasa “Tefiala” hiasana mandritra ny dimy taona hanarenana ny tany sy ny ala simba amina velaran-tany 4 tapitrisa ha. Fanatsarana mirindra ny endri-tany sy fanarenana ifotony ny atiala amina velaran-tany mirefy […]

Praiminisitra Ntsay Christian : “Manahirana ny fanovana lalàm-pifidianana”

Tsy manana fahefana ha­nova ny lalàm-pifidianana ny governemanta, volana vitsivitsy alohan’ny fifidianana filohan’ny Repoblika. “Ny zava-misy: miroso isika, ha­taontsika araka ny voafaritry ny lalàmpanorenana ny fifidianana. Tsy maintsy amin’ity taona ity izany, izay takiana aminay mpitondra”, araka ny nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian, tamin’ny ta­titry ny asan’ny governemanta, taona 2022, omaly. Fi­haonana […]

Matoky tena, mizara fahefana !

Sambany tao anatin’ny dimy taona nitondran’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry no nisafidy ny nampita andraikitra tamin’ny mpiara-miasa aminy izy. Iraka no nandray ilay amboara goavambe azony tany Afrika, mahakasika ny fananganana fotodrafitrasa na ny “Super Prix Grand bâtisseur-Trophée Babacar Ndiaye 2023”. Sady zava-dehibe ho an’ny tenany manokana no reharehan’i Madagasikara, saingy […]