Taratra

CUA – Masoivohon’i Suisse : nitsidika ny mpamonjy voina teny Tsaralalana

Tonga nitsidika ny tobin’ny sampana mpamonjy voina, teny Tsaralalana, ny masoivohon’i Suisse miasa eto Ma­dagasikara, omaly. Nandray azy teny an-toerana tamin’izany ny ben’ny Tanànan’Anta­nanarivo Renivohitra, An­drian­tsitohaina Naina. Tafi­ditra ao anatin’ny herinandron’ny fandriampahalemana ny fitsidihana nataony. Mba ha­hafahana mamantatra ny fom­ba fiasan’ny mpamonjy voina eto Antananarivo, mikasika ny fiarovana ny ain’ny […]

Faritra Atsimo Andrefana: ankizy 65.000 hisitraka ny tetikasa “Zara Mira”

Tafiditra ao anatin’ny sokajin’olona marefo ny ankizy sy ny olona manana fahasembanana ary ny reny bevohoka. Hisahana azy ireo ny tetikasa “Zara Mira” izay hizara tohana manokana. Hotanterahina ao amin’ny kaominina Itampo­lo, anio, ny fisantarana ny tetikasa “Zara Mira” ao amin’ny faritra Atsimo Andre­fana. Ankizy manodidina ny 65.000 no heverina […]

Fianarana mozika : hilaza ny heviny i Seta Ramaroson

Nisafidy lohahevitra iray lehibe i Seta Ramaroson, ma­noloana ny fianarana mozika : « Ampy ve ny fitendreko ire­ry ? Ilaiko ve ny fiarahana mitendry amin’ny hafa » ? Ny zoma 26 mey izao, manomboka amin’ny 1 ora tolakandro, ao amin’ny Ivontoerana Mian­galy Tsimbazaza no hanatanterahiny ny famelabelaran-kevitra mifandraika amin’izany. Seta Ramaroson, mpampianatra mozika anisan’ny manana […]

Fampirantiana « Antson’ny tontolo miaina » : maneho ny fahasimban’ny tontolo iainana ireo haikanto

Tontosaina eny amin’ny Zone Zital Ankorondrano, ny hetsika « Antson’ny tontolo miaina ». Efa nisokatra ny 20 mey 2023 ny hetsika ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 5 jona 2023. Fampirantiana haikanto maneho ny fahasimbana sy ny olan’ny tontolo iainana no hita ao anatin’izany hetsika izany. Haikanto samihafa, avy amina mpahay kanto […]

Endrika ivelany sisa : tsy ho ela ny « Fetin’ny Reny »

4 jona, andro tondroin’ny fanisanandro gregoriana fa hanamarihana ny « Fetin’ny Reny » amin’ity taona 2023 ity. Tolorana fanomezana ny reny. Hanehoana fitiavana lehibe sy miavaka raha hampitahaina amin’ny fahita sy iainana andavanandro i Neny, rehefa mandalo io fotoana io. Nivelatra fa tsy nijanona tamin’ireo vehivavy niteraka (na­hi­tana masoandro) ihany koa ny […]