Hihaona amin’ny solombavambahoaka, eny amin’ny antenimierampirenena Tsimbazaza, ny minisitra, hanao ny tatitry ny zava-bita sy ny zava-misy. Mahakasika ny lalana sy ny sosialim-bahoaka ary ny fitantanam-bola no tena hisongadina ao anatin’izany. Hafampana! Hanomboka ny 24 hatramin’ny 31 mey, ny tatitry ny mpikambana eo anivon’ny governemanta, eny Tsimbazaza. Hanao tatitra tsirairay […]
Taratra
Haitao ara-kajy mirindra : fanoitra tsy azo ihodivirana amin’ny fampandrosoana
Nisokatra, tamin’ny fomba ofisialy, omaly, etsy amin’ ny Novotel Alarobia, ny fikaonan-doha momba ny fanovana sy ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra eto Afrika «Assises de la Transformation digitale en Afrique» (ATDA), andiany faha-12. Maharitra roa andro ny hetsika, hanomezana sehatra ireo mpikaroka iraisam-pirenena eo amin’ny sehatry ny haitao ara-kajy […]
Misy ny tsirim-panantenana
Maresaka indray ny tanàna eto an-drenivohitra. Mampiantrano vahiny manan-kaja maro i Madagasikara tamin’ity herinandro ity. Mahoraka ny hetsika goavana momba ny haikajy mirindra. Firenena afrikanina maro no nahatonga solontena. Tsy ambakan’izany ny lalaon’ny Nosy. Efa eto Madagasikara, manao fanadihadiana farany ny vaomiera miandraikitra izany aty amin’ny Ranomasimbe Indianina. Iaraha-mahita fa […]
Ceni-Fifidianana : “Tsy ampy hiasana ny 70 miliara Ar”
Hatao ihany ny fifidianana? Tsy ampy hanaovana izany ny vola 70 miliara Ar, raha ny fanazavan’ny filoha lefitra voalohan’ny Ceni, “Kely izany 70 miliara Ar izany, ary tsy mety hahavitana fifidianana”, hoy ny filoha lefitra voalohan’ny Ceni, Andriamalazaray Andoniaina, manoloana ny resaka hoe 70 milira Ar no zakan’ny fanjakana enti-manana […]
Nirefodrefotra ny basy…: maty voatifitry ny polisy i Tojokely sy i Paul
Lavon’ny balan’ny polisy, nandritra ny fifandonana, omaly, tao an-tanànan’Antsirabe i Tojokely sy i Paul. Jiolahy malaza ratsy amin’ny fanafihana mitam-piadiana ao an-drenivohitry ny faritra Vakinankaratra. Naharay antso avy amin’ny lasibatra ny polisin’ny UIR Antsirabe fa misy olona niharana fanendahana niampy vono. Nilaza ho nahita ireo jiolahy tompon’ antoka tamin’izany izy. […]




