Hotanterahina eto Antananarivo, ny 26 hatramin’ny 30 jolay ho avy izao, ny fihaonambe nasionaly ho an’ny ankizy (JNE), andiany fahatelo, eo anivon’ny fiangonana katolika. “Rankizy, andao hiara-dia hitory ny Vaovao mahafaly ho fanantenan’ny eglizy” ny lohahevitra. Vinavinaina hahazo ankizy 15000 (6 -14 taona) avy amin’ny diosezy 22 manerana ny Nosy […]
Taratra
Natahotra ho tratra… : natsipin’ireo roa lahy ny gony 14 feno rongony
Lehilahy roa tsikaritry ny fokonolona nametraka ireto gony feno rongony ireto. Nampandre ny polisy izy ireo ary eo am-pikarohana ireo tompon’entana. Miparitaka manerana ny toerana maro eto amin’ny Nosy ny zava-mahadomelina. Nisy lehilahy roa, tsy fanta-piaviana, nitondra gony 14 feno zavatra tao amin’ny fokontany Ambalakatsaka, kaominina Ihosy, afakomaly. Tsikaritry ny […]
Arabe migodana : mitohy ny famaritana ny lalana
Nesorina tamin’ny toerany maha tale jeneralin’ny Ofisim-pirenena ho an’ny tontolo iainana (ONE) azy Rakotoson Rija Herisolo, araka ny tinapaka tao amin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia 17 mey teo. Talohan’izay, nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety izy, ny alatsinainy 15 mey, nilazana fa miato ny asa fanaovana ny arabe migodana, […]
Trosan’ny orinasa Jirama : hampindram-bola ny fanjakana malagasy
Hindram-bola amin’ny fanjakana malagasy, amin’ny alalan’ny tahirim-bolam-panjakana manokana na “bon de trésors spéciaux” (BTS), ny orinasa Jirama. “Atao izao mba hanajan’ity orinasa ity ny fifanarahana arak’asa ataony miaraka amin’ny Henri Fraise Fils et Cie (HFF) sy handoavany ireo trosany”, araka ny nankatoavan’ny Filankevitry ny minisitra izany fanapahan-kevitra izany, ny alarobia […]
Banky foiben’i Madagasikara : hanonta 50 Ariary volamena
Homarihina ny volana jona izao ny faha-50 taonan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Hankalazana izany, tapaka taorian’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, fa hanonta vola volamena 50 Ar ny banky. “Fomba amam-panao mahazatra eo amin’ny banky foibe sy vondrona mpamoaka vola ny fanontana vola volamena ho fanamarihana ireo tranga manan-tantara […]




