Taratra

Nandratra olona : miaramila enina anaovana fanadihadiana

Miatrika fanadihadiana lalina eny amin’ny zandary misahana ny heloka bevava (Secres) Fiadanana, ireo miaramila enina tompon’antoka tamin’ilay fandratrana olona niampy daroka, teny Avara­doha. Enina ihany koa ireo mpitory amin’ity raharaha ity, araka ny fanazavan’ny teo anivon’ny Secres. Efa nitondra fanazavana rahateo koa ny teo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena (MDN) manoloana ny […]

Ampasika : jiolahy nitondra sabatra, nifanenjehan’ny polisy

Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ! Voasambotry ny polisy, ny alarobia alina teo, teny Ampasika, ny jiolahy iray nitondra sabatra, raindahiny amin’ny fanendahana. Tonga nanatona ny polisy ny vehivavy iray naratra nendahin’ny jiolahy tamin’io fotoana io. Nilaza ity vehivavy ity fa nisy telo lahy nitondra sabatra nanendaka azy. Niroso tamin’ny fanenjehana sy fikarohana […]

Fanendahana mitam-basy : zandary maty voatifitra, very ny 15 tapitrisa Ar

Nirefotra ny basy tetsy Ankasina, lavon’ny olon-dratsy ny zandary iray. Voaroba ny vola an-tapitrisany, ny alakamisy hariva teo. Maty voatifitry ny jiolahy ny zandary iray tetsy Ankasina 67 Ha, afakomaly hariva. Avy nanidy Cash-point, nitondra ny vola tamin’ny sakaosy izy sy ny mpanampiny iray. Nandrasan’ireo jiolahy telo lahy kendry tohana. […]

JNE : Omena lanja ny fiarovana ny tontolo iainana

Hotanterahina eto Anta­na­narivo, ny 26 hatramin’ny 30 jolay ho avy izao, ny fihaonambe nasionaly ho an’ny ankizy (JNE), andiany fahatelo, eo anivon’ny fiangonana katolika. “Rankizy, andao hiara-dia hitory ny Vaovao mahafaly ho fanantenan’ny eglizy” ny lohahevitra. Vinavinaina hahazo ankizy 15000 (6 -14 taona) avy amin’ny diosezy 22 manerana ny Nosy […]

Natahotra ho tratra… : natsipin’ireo roa lahy ny gony 14 feno rongony

Lehilahy roa tsikaritry ny fokonolona nametraka ireto gony feno rongony ireto. Nampandre ny polisy izy ireo ary eo am-pikarohana ireo tompon’entana. Miparitaka manerana ny toerana maro eto amin’ny Nosy ny zava-mahadomelina. Nisy lehilahy roa, tsy fanta-piaviana, nitondra gony 14 feno zavatra tao amin’ny fokontany Ambalakatsaka, kaominina Ihosy, afakomaly. Tsikaritry ny […]