Maherin’ny 140 000 ireo tsy mbola tafiditra anaty lisitry ny mpifidy amin’izao fanavaozana tanteraka ataon’ny Ceni izao, any amin’ny faritra Diana. Nambaran’ny filohan’ity rafitra misahana ny fikarakarana ny fifidianana ity, Andrianarisedo Dama Arsène fa tsy maintsy hanaovana ezaka ny fampidirana azy ireo anaty lisitra. “Manan-jo hifidy izy ireo ka anentanana […]
Taratra
Fiarovana sy fandriampahalemana: vonona ho amin’ny fiaraha-miasa i Finlande
Nanao ranolava ireo vahiny. Telo sosona be izao ireo masoivoho noraisin’ny filohan’ny Repoblika teny Iavoloha, ny 17 mey teo. Nanamafy ny fiaraha-miasany amintsika avokoa izy ireo. Anisan’izany ny masoivoho vaovaon’i Finlande, monina any Maputo, i Anna-Kaisa Heikkinen, nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa eto amintsika tamin’ny filoha Rajoelina Andry. Anisan’ny […]
Fifidianana filoham-pirenena : hentitra ny masontsivan’ny eveka amin’ireo ho kandidà
Namoaka hafatra ny eo anivon’ny Fivondronamben’ ny eveka (Fem), omaly. Voaresaka ny hiatrehana ny fifidianana sy ny fahasahiranam-bahoaka. Eo koa ny ezaky ny fitondrana ary ny tsindrom-paingotra amin’ny fampanantenana tsy tanteraka. Nampahatsiahy ny toetra tokony hananan’ny kandidà hofidiana ny eo anivon’ny Fem amin’izao hiatrehana ny fifidianana izao. Hentitra ny masontsivana […]
Mila fanasitranana !
Tsy fomba ny miresaka finoana na antokom-pinoana. Saropady, tsy fiady hevitra ny tena marina. Anisan’ny zo fototra, voarakitra anatin’ny fanambaran’ny Firenena Mikambana momba ny zon’olombelona rahateo ny fahafahana manaraka izay finoana tiany ho arahana. Midika izany fa zava-dehibe, masina ny resa-pivavahana sy finoana. Firenena mandala fatratra sy saropiaro amin’ny maha […]
Fanararaotana mpivavaka: Pasitera efatra voasambotra
Nanao be midina tamina trano fivavahana iray ny polisim-pirenena, omaly. Pasitera sady mpaminany efatra voasambotra. Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny olona efatra misora-tena ho Pasitera tao amina fiangonana tsy miankina iray, ao Fianarantsoa Renivohitra, omaly. Nisintona lakolosy teny anivon’ny fampanoavana ny vehivavy telo mpino eo amin’ilay fiangonana. Taorian’ny fitorohana nalefan’izy ireo, […]




