Taratra

Ambohitrimanjaka : rotiky ny balan’ny zandary i Mainty

Maty voatifitry ny zandary, ny alarobia alina teo, ny jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana sy vaky trano. Nahazo antso fanairana ireo zandary avy ao amin’ny za­na-tobim-paritra Am­bohitrimanjaka mpanao fisafoana amin’ny alina fa misy andian’olona mampiahiahy mihaodihaody eny amin’ny fokontany Miadana, Am­bohitrimanjaka. Nidina haingana teny an-toerana ny zandary ka tratra teo am-pianihana […]

Andilamena : dahalo mpaka an-keriny sady mpamatsy basy roa lahy lavo

Nokarohina hatry ny ela! Maty voatifitra ireo dahalo roa lahy raindahiny amin’ny fakana an-keriny sy famatsiana fitaovam-piadiana tao Ambatomalama, fokontany sy kaominina ambanivohitra Be­maitso, distrikan’Andilame­na, ny 15 mey teo. Naharay loharanom-baovao ny zandary fa mihaodihaody ao amin’ io tanàna io izy roa lahy dahalo mpangalatra omby sy mpamatsy fitaovam-piadiana ireo. […]

1 hetsy Ar ny fonosana iray…: mpivady mpamatsy Rôrô tratra

Hatolotra ny fampanoavana anio ireto mpivady mpanao trafikana héroïne na “Rôrô” ireto. Ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahafito (CSP7) no nahasambotra azy ireo teny Antoho­madinika, afakomaly. Voaro­hirohy ho tompon’antoka amin’ny fanapariahana zava-mahadomelina mahery vaika amin’iny faritra 67 ha sy Antohomadinika iny izy mi­vady ireto. Mitohy hatrany ny famongorana […]

Niaraka tamin’ny odibala 7 kg… : ravan’ny zandary ny tambajotra mpaka an-keriny ao Anjozorobe

Tsy nandaitra ny odibala! Mitohy hatrany ny hazalambo ataon’ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Imerina Centrale, amin’ny fandravana ireo tambajotra mpaka an-keriny ao Anjozorobe. Jiolahy efatra tratra raha roa hafa maty voatifitra… Raha tsy misy ny fiovana, hatolotra ny fampanoavana anio ireo olona voarohirohy ho tom­pon’antoka tamina raharaha fakana an-keriny […]

« Hôtel  Colbert » Antaninarenina : novidin’ny fianakavina Vellutini

Miova mpitantana na­nomboka ny alatsinainy teo ny hôtel Colbert, etsy Anta­nina­re­nina.. Novidin’ny fianakaviana Vellutini, ity trano fandraisam-bahiny iray malaza eto an-drenivohitra ity. Ani­san’ny teratany “Corse”, mpandraharaha malaza eo amin’ny sehatry ny kanto sy ny fialamboly ny fianakaviana Vellutini. Ankehitriny, izy ireo no mandimby ny fianakaviana Léoni, nitantana nandritra ny 50 […]