Misy mivarotra ny Plumpy sup sy plumpy nut, izay natao hozaraina maimaim-poana. Manolona izany, nandray andraikitra ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Tafajoro, omaly, teny Andavamamba ny komity marolafy hiadiana amin’ny fivarotana an-tsokosoko ireo sakafo fanafody sy fanafody maro tokony homena maimaimpoana ny marary eny amin’ny tobim-pahasalamana. “Mpikambana ao avokoa ny minisitera voakasika, […]
Taratra
Fokontany Amparibe : vatobe nianjera tamin’ny tranon’olona
Nisy tranga fianjerana vatobe teny Ambatovinaky, fokontany Amparibe, ny alahady teo, taorian’ny orana nikija, raha ny tatitry ny BNGRC. Nanimba tranon’olona ny loza ka tsy maintsy nifindra toerana ny tompon-trano sy ny manodidina. Nidina ifotony ny ekipan’ny Birao nasionaly misahana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC), sy ny filohan’ny fokontany […]
Manazary Betsizaraina: 55 ireo trano fonenana vaovao efa mitsangana
Nidina nijery ny fizotran’ny fanamboarana ireo trano fonenana, aorin’ny Seimad ,ao Manazary Betsizaraina, ny sekreteram-panjakana misahana ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana (SENVH), Andriamanohisoa Gérard, omaly. Misokajy 2 ny trano eny an-toerana, efitra 4 sy efitra 3. Anarana iantsoana ity tanàna vaovao ity ny hoe, Soa Iadanana. Trano miisa 55 […]
Fihaonan’ny zandary: nankalazaina tamin’ny lalao baolina kitra
Nisy ny fihaonan’ny zandarimariam-pirenena avy ao amin’ny faritany Toamasina, ahitana an’Alaotra Mangoro sy Atsinanana ary Analanjirofo. Fihaonana natao tetsy amin’ny kianja manara-penitr’i Barikadimy, nanomboka ny alatsinainy 15 mey lasa teo hatramin’ny alahady 21 mey. Hetsika ara-panatanjahantena, izay tarihan’ny jeneraly Rabemanantsoa Josh, kaomandim-paritanin’ny zandarimaria Toamasina. Raha hiverenana ny lalao nandritra ny […]
« Ligue des Champions » : hifandona anio ny Man City sy ny Real
Hotanterahina anio alarobia, ny lalao manasa-dalana miverina amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa “Ligue des Champions 2023”, taranja baolina kitra. Anisan’ny fihaonana tena andrasan’ny maro ny fifanandrinan’ny Manchester City, Anglisy sy Real Madrid, Espaina. Izany dia hatao ao amin’ny Etihad Stadium. Tsiahivina fa nandritra ny dingana voalohany, notontosaina tao Santiago […]




