Nanamarika ny tantara eo amin’ny fifandraisana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Feno 140 taona, ny 15 mey teo, ny nifandraisan’ny fanjakana malagasy sy ry zareo Alemà. Nomarihina omaly, tetsy Anosy, ny fankalazana izany, notarihin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Yvette Sylla. Nambaran’ny ambasadaoron’i Alemaina, Michael Hausler fa zava-dehibe ny fifandraisana eo amin’ny roa tonta, […]
Taratra
Minisitry ny Fitsarana : “Tsy misy idiran’ny resaka politika ny asan’ny Pac”
Nandiso ireo fanehoan-kevitra samihafa ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy, omaly, tetsy 67ha. Notsiahiviny tamin’izany ny asan’ny Tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Pac). “Tsy natao hanenjehana mpanao politika na koa hikendrena foko izatsy na izaroa ny Pac. Mametraka ny tany tan-dalàna isika ary miady amin’ny kolikoly ka tsy misy […]
Fifidianana ihany ?
Manjavozavo sy mbola tsy hita be ihany ny fivoaran’ny raharaha politika eto Madagasikara. Ny resa-pifidianana sy ny Tetezamita no malaza saingy tsy hita soritra izay fanapahan-kevitra marina. Ny zava-misy sy hita taratra, mipoipoitra daholo indray aloha ny mpanao politika zokinjokiny na ny « Dinaozoro ». Miseho masoandro ny antoko politika, efa natory. […]
Lehilahy novonoina: nomena fampatoriana, notsatotsatohana antsy
Voasambotry ny polisy ny mpifankatia namono lehilahy, iray teny Andavamamba. Nomen’izy ireo fampatoriana, nolerana antsy, nodorana ilay lasibatra. Niaiky ny heloka vitany izy roa. Tapa-bolana aty aoriana, tra-tehaky ny polisy ny atidoha sy tompon’antoka tamin’ny famonoana ny raim-pianakaviana iray tetsy Andavamamba. “Razana nodorana tanaty dabam-pako no nanaitra ny mponina manodidina […]
Nariany ny vady aman-janany : lehilahy nikasa hanorina fiainam-baovao tamina vola halatra
Fahasahiana tsotr’izao! Naiditra am-ponja vonjimaika ny lehilahy iray sy ny sakaizany, 19 taona, izay voarohirohy tamina halatra volabe saika hanorenana fiainam-baovao. Araka ny fanazavan’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’ Ankazomiriotra, nasaina hanatitra vola 7 200 000Ar any Betsoa, distrikan’i Mandoto, ity lehilahy ity sy ny namany iray. Nandeha moto izy ireo ka […]




