Taratra

Betioky Atsimo : naiditra am-ponja ireo dahalo nangalatra zaza varira

Naiditra am-ponja vonjimaika ao Toliara, ny zoma teo, rehefa avy natolotra ny fampanoavana ireo dahalo anisan’ireo tompon’antoka ta­min’ny raharaha fakana an-keriny zaza varira tao Betioky Atsimo. Nangalarin’ireo da­ha­lo niaraka tamin’ny omby ity zaza varira ity ka nandritra ny fanarahan-dia nataon’ny zandary nampian’ny fokonolona tao an-toerana no nahatrarana azy telo lahy […]

Fanararaotana ara-nofo : roa lahy voasaringotra ho nanolana zaza mirahalahy

Niakatra fampanoavana, omaly, ireo roa lahy voasaringotra tamin’ny raharaha fanolanana zazalahy iray 8 taona sy ny zokiny lahy 11 taona, tetsy Analakely. Tsy mahatana ny malotony intsony, tsikaritry ny olon-tsotra iray sendra nandalo ny fahavoazan’io zazalahy 8 taona io. “Efa iray volana lasa no niharan’ny herisetra izy mirahalahy ireo”, hoy […]

Ankady Tanjombato: lehilahy tratra nifoka rongony

Saron’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria foibe Tanjombato, tao amin’ny fari-piadidiany ny lehilahy iray teo am-pidorohana zava-mahadomelina, omaly, tao Ankady Tanjombato. Toy ny fanao, manao fisafoana sy fanaraha-maso hatrany eny amin’iny faritra iny ny polisy. Nisy paikady napetraka tamin’ny fametrahana polisy manao fanamiana sivily hanara-maso ireo olona mampiahiahy. Nandritra izany […]

Andohan’Ilakaka : notapahin-doha, nesorina ny voamason’ilay ramatoa

Nifanehatra tamin’ny dahalo tamin’ny andro hariva, maty niharan’ny habibiana ny renim-pianakaviana iray 60 taona, tao Avaratr’Ampandramitsivalana, fokontany Mangarahara, Kaominina Andohan’Ilakaka, ny alahady 14 mey teo. Mpivarotra arina fandrehitra ity namoy ny ainy ity. Namonjy fodiana niaraka tamin’ny zanany roa izy kinanjo voasakan-dalana tampoka. No­daro­han’ireo jiolahy voalohany ny zanak’io ramatoa io […]

Fiompiana: hiara-hiasa ny FMFP, MPE, IPA ary ny MDB

Natao ny zoma , nandritra ny foire internationale de Madagascar (FIM), teny amin’ny zone Forello Tanjomba­to, ny fanaovan-tsonia fifanarahan’asa ataon’ny Fonds mal­gache de formation professionnelle (FMFP) na ny tahiry famatsiam-bola malagasy ho fampiofanana ny mpiasa miaraka amin’ireo vovonona telo misehatra amin’ny fiompiana. Anisan’izany ny Malagasy professionnel de l’élevage (MPE), ny […]