Taratra

Ho valin’ny fangatahana…: hosokafana ho an’ny mpanao hatsikana ny Ivokolo

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ilay fampisehoana nataon’ireo tanora mpanao hatsikana, tetsy amin’ny Ivo­kolo Analakely. Mbola tafiditra tanatin’ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny hehy ihany izany, izay nandraisan’ireo mpanao hatsikana ampolony anjara. Tsikaritra fa tsy ampy ny toerana sy ny fotoana hanehoan’ireo mpanakanto vao misondrotra eo amin’ny hatsikana ny […]

« Slam Poèsie »: hiaka-tsehatra anio amin’ny amboara eran-tany i Hichim

Mandritra ity andro faharoan’ny fifaninanana fiadina ny amboara eran-tany eo amin’ny “Slam poèsie” ity, hiaka-tsehatra ny solontena malagasy. Efa any an-toerana ary efa vonona tanteraka ny delegasionina hiatrika izany. Anio amin’ny 8 ora sy 30 minitra, ora eto Ma­dagasikara no hia­ka-tsehatra voalohany, amin’ny fifaninanana fiadiana ny amboara eran-tany eo amin’ny […]

Filohan’ny Ceni: “Hisy ny fifidianana…”

“Teneninay eto: tsy main­tsy hisy ny fifidianana filo­han’ny Repoblika amin’ity taona ity”, hoy ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène Retaf, tany Antsirabe, faritra Vakinankaratra, ny faran’ny herinandro teo. Diso ny fitenenana hoe efa tafiditra ao anatin’ny lisi-pifidianana teo aloha ny tena, ka tsy mila miditra intsony ao anatin’ny lisitry ny […]

Depiote Ratsimbazafy Alain: “Aleo hirosoana ny fifidianana”

“Tsy adihevitra amin’ny Tim intsony ny hoe hanao fitondrana Tetezamita. Aleo hiroso ny fifidianana. Eo ny vahoaka malagasy hitsara izay olona heverina fa tokony hitantana ny tany sy ny fanjakana”, hoy ny depiote Tim, Antananarivo Atsimondrano, Ratsimbazafy Alain. Tsy mankasitraka ny fisiana fitondrana Tetezamita ry zareo. Hamafisina fa hoe fanjakana […]