Taratra

Pasitera Andriamahazosoa Ammi Irako: “Adidin’ny fiangonana ny fitiavan-tanindrazana”

Nanafatrafatra ny zanany manana andraikitra eo anivon’ny fiarahamonina sy ny firenena ny eo anivon’ny FJKM, tany Ambositra. Nasongadin’ny filohany tamin’izany ny momba ny hiatrehana ny fifidianana. “Adidy aman’andraikitry ny fiangonana sy ny kristianina izay maneho ny finoany sy ny fiombonany ny fitiavan-tanindrazana, maniraka ny fiangonana sy ny kristianian handray andraikitra […]

Fizotry ny fiainam-pirenena : manahy krizy marolafy ny UNDD

Nivoaka ny fahanginany ary nanao fanambarana ny eo anivon’ny antoko UNDD, ny 13 mey teo. Nampaneno lakolosy izy ireo manoloana izao raharaham-pirenena izao. Nambaran’ny birao politikan’ny antoko tamin’ny fa­nam­barana, nosoniavin’ny fi­loha nasionaly vonjimaika, Manoro Regis, fa mandalo kihon-dalana sarotra eo am-baravaran’ny krizy marolafy mivaivay ny firenena. Nota­nisain’izy ireo ho anton’izany […]

Aleo misoroka e !

Manomboka amin’ny fomba ofisialy ny fanentanana ara-pahasalamana hoenti-miady amin’ny fihanaky ny aretina lefakozatra, eto Madagasikara. Hetsika tsy maintsy tanterahina, noho ny fiverenan’ity areti-mandoza ity. Niarahan’ny rehetra nahita, efa foana teto Madagasikara nandritra ny fotoana maharitra izany. Ankehitriny, mampihoron-koditra ny fisehoany sy ny mety ho taham-pahavoazan’ny zaza malagasy. Tsy azo atao […]

Ambohitrimanjaka : jiolahy roa nitam-basy nandroba moto

Miova indray ny fanaon’ireo mpangalatra! Nirefotra indroa ny basy, jiolahy roa nitam-piadiana nangalatra moto teny am-pandehanana tetsy Ambohitrimanjaka, omaly tamin’ny 10 ora sy sasany maraina. Tsy nanampo na inona na inona ny tompony! Moto “scooter” marika Racing King, anisan’ireo hiaka farany, norobain’ny jiolahy roa lahy nitondra basy, tetsy Ambohitrimanjaka, oma­ly […]

Tselatra

Nahatratra 132 ireo olona voasambotra tamin’ny fanaovana trafikana zava-mahadomelina mahery vaika (tao ireo mpivarotra sy mpifoka, ankoatra ireo mitsindrona) nandritra ny volana avrily 2023 teo. 219 875 g ireo rongony tratra raha 849,6 g ny héroine ary 2 300 g ny crystal Méthamphétamine. Manoloana izany, nisy ny fanentanana nataon’ny polisy misahana ny […]