Natao tany Taolagnaro, omaly, ny fihaonan’ny komity nasionaly mpitarika ny tetikasa Mionjo. Nitarika izany tany an-toerana ny minisitry ny Atitany, Tokely Justin. Nambarany, miroso izany tetikasa izany ka anisan’izany ny nisitrahan’ireo kaominina miisa 59 fanampiana 12 miliara Ar mahery. Anisan’ny nahazo izany ny any Atsimo Andrefana sy Anosy ary Androy. […]
Taratra
Moussa Soalihy ; « Ny fifidianana ihany no vahaolana »
“Ny firosoantsika amin’ny fifidianana ihany no vahaolana raha tiantsika ny hampandroso ny firenena”, hoy i Soalihy Moussa, mpamakafaka politika eto Madagasikara, omaly, teny Ampefiloha. Nohamafisin’ity mpandinika ity fa tsy ilaina ny miroso mankany amin’ny fitondrana Tetezamita, satria anisan’ireo nampisy ny krizy izany. Raha ny filazany, misy ny fifidianana eto amintsika […]
Tsiahin’ny tantara : ho etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey ny “Hetsika 72”
Hametraka fehezam-boninkazo, etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey, anio, ny fikambanana “Hetsika 72”. Nambaran’ireo mpitarika, Rasoloarijao Perle sy Rainidina ary koa Andrianaivojaona Fanirison fa efa nahazoana alalana izao hetsika, anio, izao. Notsiahivin’izy ireo amin’izao faha-52 taon’ny “Raharaha 72” izao fa mazava ny foto-kevi-dehibe nijoroana tamin’izany. “Notakina ny fanagasiana ny fampianarana sy […]
Fitakian’ny mpanohitra sasany : mitsipaka ny Tetezamita Ratsiraka Roland
“Malahelo aho mahita antoko politika sy ny sasany manambara fa tsara ny hidirantsika amin’ny Tetezamita”, hoy ny depiote Ratsiraka Roland. Fantatra ny dikan’ny Tetezamita fa fiadiana seza sy fanaovana ampihimba ny toekarena. Vao mainka miato ny fiaraha-miasa amin’ny fiombonambe iraisam-pirenena. “Tsy misy zavatra mahasoa antsika ny Tetezamita”, hoy izy. Tsotra […]
Filohan’ny Antenimierandoholona: «Fiatrehana fifidianana izao no ezahina»
Nitondra ny heviny koa ny filohan’ny Antenimierandoholona, manoloana ny raharaham-pirenena. Anisan’izany ny momba ny fifidianana. “Ny fiezahana miatrika fifidianana amim-pahatoniana izao no atao mba hilamina aloha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana. Mba hoeken’ny rehetra izay voka-pifidianana eo. Na inona na inona vokatra eo, tokony hoeken’ny rehetra.” Io ny fanehoan-kevitry ny […]




