Taratra

Vovonana “Tsimatimanota” : “Tsy avela hanjaka eto intsony ny tsimatimanota”, hoy i Paolo

“Noho ny disadisa misy eto Madagasikara, mahatsapa izahay fa potika ny firenena, mahatsapa izahay fa misy ny tsimatimanota. Eo koa ireo mpiaro olon-dratsy mpamo­tika firenena sy mpamono olona. Noho izany, nanapa-kevitra izahay fa hatsangana ny vovonana miady amin’ny tsimatimanota eto Madagasi­kara”, hoy ny administratera sivily, Paolo Emilio Raholi­narivo Solonavalona, nandritra […]

Mandohalika foana !

Manamarika ny faha-51 taona nisian’ny tolona 13 mey 1972 ny Ma­la­gasy, anio. Tolona izay niarahan’ny rehetra nahalala fa niafara tamin’ ny fanonganana ny filoham-pirenena tamin’izany fotoana, Tsiranana Philibert. Tolona nanehoan’ny Malagasy fa vanim-potoana tsy maintsy hijoroan’ny Malagasy amin’ny maha izy azy. Fotoana nandrehitra indray ny fitiavan-tanindrazana taorian’ny nahazoana ny «sarintsarim-pahaleovantena», […]

“Raharaha Raissa ” – Minisitry ny Fitsarana: “Mbola anatin’ny tsiambaratelo ny fanadihadiana”

Tsy mbola nifarana manoloana ny resabe. Nitondra fanazavana indray momba ireo nambaran-dRazaivola Raissa farany teo ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy, omaly, tetsy Anosy. Notsiahiviny tamin’izany, misy efa ela ny departemanta mandray ny fitarainana tahaka ireny eo anivon’ny fitsarana. “Efa mi­sokatra ny fanadihadiana saingy mbola ao anatin’ny tsiambaratelo tanteraka izany. Voa­fetran’ ny […]

Tafika an-tanety : hisy ny fihaonamben’ ny Tafika Afrikanina

Notanterahina omaly, ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, nokarakarain’ny Africa Regional Media Hub. Ny mahakasika ny Africa Force Land Summit 2023, AFLS 2023, hotanterahina any Abidjan, Côte d’Ivoire no nampahafantarina nandritra izany. Mpitari-tafika avy amina firenena maro manerana izao tontolo izao, indrindra avy eto Afrika no niatrika izany valan-dresaka izany. […]

Fonjan’Ambovombe : gadra folo saika handositra

Voafonja 10 nikasa handositra tao amin’ny fonjan’ Ambo­vombe, omaly tolakandro. « Efa tafavoaka ny roa tamin’izy ireo », hoy ny fanazavan’ny kapiteny lehiben’ny vondron-tobim-paritra Ambo­vom­be. Nanapoaka basy ireo mpiandry fonja sy ny mpitandro filaminana mifanolo-bodirindrina amin’izy ireo. Vokany, voasambotra ary tafaverina am-ponja ireo roa nikasa handositra. “Niditra an-tsehatra tamin’ny fifehezana io raharaha […]