Taratra

Fanafihana sinoa : polisy nahatrarana 7 tapitrisa Ar sy firavaka halatra

Voasakan’ny zandary teny amin’ny RN7, polisy iray nahatrarana firavaka halatra sy vola mitetina 7 tapitrisa Ar tao Antsirabe, afakomaly alina. Nitrangana vaky trano nahaverezana vola 30 tapitrisa Ar mahery tao amin’ny tokatranon’ny sinoa mpividy vato anatin’ny fokontany sy kaominina Tanakidy, distrikan’i Vondrozo, ny alahady hifoha ny alatsinainy 8 mey teo […]

Ambohidroa : raim-pianakaviana hita faty natsingevan’ny rano

Maty voajanahary, lehilahy iray natsingevan’ny rano tetsy ambany tetezana Ambo­hidroa, boriborintany fahenina, omaly. Mpaka trondro sendra nivoy lakana no nahakasika ny vatana mangatsiakan’io maty an-drano io. Ha­tairana, niantso ireo manodidina avy hatrany izy. Vory lanona tao anatin’ny minitra vitsy ny mponina. Nijery ifotony ny zava-nisy ny polisy avy eo anivon’ny […]

Hetsika “Jaboady” : nitolo-batana tao amin’ny zandary ireo Zazafotsy 33

Nametraka ny fitaovam-piadiany ka nitolo-batana tao amin’ny zandary, afakomaly, ireo Zazafotsy 33. Manoloana ilay raharaha Zazafotsy tao amin’ny kaominina ambanivohitr’Anjiajia sy Manerinerina, distrikan’ Amba­to­boeny, nanatanteraka hetsika manokana “Jaboady” ny zandary ao an-toerana mba hamerenana ny fandriampahalemana. Mandritra ny 15 andro ny hanaovana ity hetsika ity, taorian’ny fivoriana niarahana tamin’ny OMC. Nodinihina tamin’izany […]

Vondrona Eoropeanina : hanohana ny Malagasy mpandraharaha

Mbola anatin’ny herinandron’i Eoropa isika. Maro karazana ny hetsika hanama­rihana ity fankalazana ity. Omaly, nisy ny atrikasa natao, teny Ankorondrano, nihao­nan’ny Vondrona Eoropeani­na tamin’ireo sehatra tsy miankina. “Mikasa hanohana ny Malagasy mpandraharaha amin’ny fidirana eo amin’ny tsena eoropeana ny Vondrona Eoropeanana”, hoy ny fanazavan’ny masoivohony eto Madagasikara, Isabelle De­lattre. Misy […]

Betongolo : vehivavy nendahin’ny jiolahy tao anaty taxi-be

Mitsikombakomba amin’ ny resevera! Vehivavy iray nendahin’ny jiolahy tao anaty taxi-be teny Betongolo, oma­ly. Niditra toy ireny mpandeha ireny ny jiolahy roa niaraka tamin’ny antsy. Araka ny fanazavan’ilay niharam-boi­na, teo akaikin’ny chapelle militaire Betongolo, omaly tamin’ny 9 ora sy 30 mn no nitranga ity fanendahana ity. Jiolahy roa nitondra antsy […]