Taratra

Henan’omby : tsaho ny filazana fa mampiasa «formol»

Nidina ifotony koa omaly, ny fitantanana ny Fiompiana (DGE) ao amin’ny minisite­ran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae). Narahi-maso ny toerana famonoana omby eny Ampasika. Hita fa manaraka ny fitsipika sy ny fepetra rehetra ara-pahasalamana, ny henan’omby ity toerana ity. Nohitsin’ny tale jeneralin’ny Fiompiana ao amin’ny minisitera, Lezoma Tsiry, fa «miasa […]

Foire internationale de Madagascar- 2023 : mampivondrona ny mpandraharaha rehetra

Mampiray ny mpandraharahana isan-karazany manerana ny Nosy sy ireo orinasa eto an-toerana sy avy any ivelany ny FIM andiany faha-17. Asongadina anatin’ny hetsika ny fikolokoloana ny tontolo iainana ao anatin’ny fandraisana andraikitra. Nisokatra nanomboka omaly, eny amin’ny Parc des expos Forel­lo, Tanjombato ny “Foire internationale de Mada­gas­car” (FIM) andiany faha-17. […]

Kaominina Toamasina : “Tsy mazava ny fitantanam-bola”

Boky rovitra no azo ilazana ny zava-misy eo an­ivon’ny fitantanan-draharahan’ny kaominina ambonivohitr’ i Toamasina, araka ny fanadihadiana natao. Tsy tokony hisy olana ny karaman’ny mpiasa. 18 ny tsena, manampy ireo fivarotana ivelan’ny tsena, ny fampiasana ny moron-dalana, ny guichet-na taksiborosy, ny bar sachet eny amoron-dranomasina. Ny posy izay efa miakatra […]

Yali MWF : tanora 11 mianadahy hanainga ho any Etazonia

Nihaona tao amin’ny ma­so­ivoho amerikanina tamin’ ity herinandro ity ireo tanora mpitarika 11 mianadahy voafantina hisitraka ny vatsim-pianarana “Mandela Wash­ing­­ton Fellowship for Young African Leaders» (YALI MWF) amin’ity taona 2023 ity. Nanomana ny diany izy ireo ary hifankafantatra bebe kokoa. Tamin’ izany koa no nampahafantaran’izy ireo izay andrasany amin’ity programa […]

Faritra Fitovinany : te hahaleo tena ireo manana fahasembanana

Tanterahina any amin’ny faritra Fitovinany, ao Mana­ka­ra, ny herinandro faharoa ha­namarihana ny iray volan’ ny fiahiana sosialy. Lohahe­vi­tra novoizina ny fandra­isan’andraikitr’ireo olona ma­nana fahasembanana. Niompana tamin’ny fa­ha­leovantenan’ireo sokajin’ olona manana fahasembanana ny dinika ka nahafahana nihaino ny faniriany sy ny fomba fijeriny hanatsarana ny fiahiana azy ireo. Ni­son­gadina nandritra ny resaka […]