Mitsikombakomba amin’ ny resevera! Vehivavy iray nendahin’ny jiolahy tao anaty taxi-be teny Betongolo, omaly. Niditra toy ireny mpandeha ireny ny jiolahy roa niaraka tamin’ny antsy. Araka ny fanazavan’ilay niharam-boina, teo akaikin’ny chapelle militaire Betongolo, omaly tamin’ny 9 ora sy 30 mn no nitranga ity fanendahana ity. Jiolahy roa nitondra antsy […]
Taratra
Zokiolona ao Maroantsetra : tsy manaiky hamindrana ny filohan’ny fitsarana
Miely ny feo any Maroantsetra fa hafindra toeran-kafa ny filohan’ny mpitsara any an-toerana ary haverina hitantana kosa ny mpitsara tranainy teo aloha. Tsy mahafa-po ny vahoaka any an-toerana anefa ny fomba fiasan’io mpitsara teo aloha, kasain’ny fanjakana haverina io. Nanao fanambarana ho an’ny ministry ny Fitsarana noho izany ireo fikambanan’ […]
Minisiteran’ny Mponina : manohana ny lehilahy handray andraikitra
Mirongatra ny herisetra noho ny olana ara-tsosialy isan-karazany. Anisan’ny mitondra ny anjara birikiny hoenti-miady amin’izany ny minisiteran’ny Mponina amin’ny fanohanana ny raim-pianakaviana. Miditra an-tsehatra amin’ny ady atao amin’ny herisetra vokatry ny olana sosialy isan-karazany ny minisiteran’ny Mponina, tarihin’ny minisitra Soafilira Princia. Ankoatra ny fizarana ny vatsin’ankohonana isam-paritra, miditra amin’ ny […]
Fampiasam-bola : mahazo fanasana handinika lalàna ny GEM
Nihaona sy niresaka tamin’ ny mpanao gazety tetsy amin’ ny foibeny, etsy Ambohijatovo, ny GEM (Groupement des entreprises de Madagascar), omaly. Voaresaka tao ny famolavolana ny lalàna mikasika ny fampiasam-bola izay nodinihina eo anivon’ny Antenimierampirenena. Nahazo fanasana hakana hevitra mahakasika izany ny eo anivon’ny GEM raha nanontaniana. «Faly sahirana izahay manoloana ny […]
Orange Madagascar: tonga ao Morondava sy Antalaha ny Wifiber sy ny eSim
Nihaona tamin’ireo mpandraharahaha ao amin’ny faritra Menabe ny tale jeneralin’ ny Orange Madagascar, Frédéric Debord, ny herinandro lasa teo. Nambarany nandritra izay fa tonga ao an-toerana ny wifiber sy ny eSim. Karatra nomerika 100% ny eSim izay ahafahan’ny mpampiasa azy mahazo tombontsoa amin’ny tolotra Orange rehetra amin’ny fomba mora sy […]




