Maty voajanahary, lehilahy iray natsingevan’ny rano tetsy ambany tetezana Ambohidroa, boriborintany fahenina, omaly. Mpaka trondro sendra nivoy lakana no nahakasika ny vatana mangatsiakan’io maty an-drano io. Hatairana, niantso ireo manodidina avy hatrany izy. Vory lanona tao anatin’ny minitra vitsy ny mponina. Nijery ifotony ny zava-nisy ny polisy avy eo anivon’ny […]
Taratra
Hetsika “Jaboady” : nitolo-batana tao amin’ny zandary ireo Zazafotsy 33
Nametraka ny fitaovam-piadiany ka nitolo-batana tao amin’ny zandary, afakomaly, ireo Zazafotsy 33. Manoloana ilay raharaha Zazafotsy tao amin’ny kaominina ambanivohitr’Anjiajia sy Manerinerina, distrikan’ Ambatoboeny, nanatanteraka hetsika manokana “Jaboady” ny zandary ao an-toerana mba hamerenana ny fandriampahalemana. Mandritra ny 15 andro ny hanaovana ity hetsika ity, taorian’ny fivoriana niarahana tamin’ny OMC. Nodinihina tamin’izany […]
Vondrona Eoropeanina : hanohana ny Malagasy mpandraharaha
Mbola anatin’ny herinandron’i Eoropa isika. Maro karazana ny hetsika hanamarihana ity fankalazana ity. Omaly, nisy ny atrikasa natao, teny Ankorondrano, nihaonan’ny Vondrona Eoropeanina tamin’ireo sehatra tsy miankina. “Mikasa hanohana ny Malagasy mpandraharaha amin’ny fidirana eo amin’ny tsena eoropeana ny Vondrona Eoropeanana”, hoy ny fanazavan’ny masoivohony eto Madagasikara, Isabelle Delattre. Misy […]
Betongolo : vehivavy nendahin’ny jiolahy tao anaty taxi-be
Mitsikombakomba amin’ ny resevera! Vehivavy iray nendahin’ny jiolahy tao anaty taxi-be teny Betongolo, omaly. Niditra toy ireny mpandeha ireny ny jiolahy roa niaraka tamin’ny antsy. Araka ny fanazavan’ilay niharam-boina, teo akaikin’ny chapelle militaire Betongolo, omaly tamin’ny 9 ora sy 30 mn no nitranga ity fanendahana ity. Jiolahy roa nitondra antsy […]
Zokiolona ao Maroantsetra : tsy manaiky hamindrana ny filohan’ny fitsarana
Miely ny feo any Maroantsetra fa hafindra toeran-kafa ny filohan’ny mpitsara any an-toerana ary haverina hitantana kosa ny mpitsara tranainy teo aloha. Tsy mahafa-po ny vahoaka any an-toerana anefa ny fomba fiasan’io mpitsara teo aloha, kasain’ny fanjakana haverina io. Nanao fanambarana ho an’ny ministry ny Fitsarana noho izany ireo fikambanan’ […]




