Nivoaka any amin’ny Lakandranon’i Mozambika, omaly hariva, i Gezani. Mbola mitoetra ny oram-baratra miaraka aminy, indrindra amin’ny faritra Melaky, ka nahazo filazana fahamailoana manokana amin’ny mety ho fiakaran’ny renirano sy ny fiandronan’ny rano. Foana kosa ny filazana loza ho an’Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra mangoro, Analamanga, Betsiboka, Bongolava, Itasy, Vakinankaratra ary Menabe. […]
Taratra
Fiakaran’ny renirano: Mila mitandrina ireo nahazo filazana miloko mena
Mampitandrina ny Météo Madagascar fa noho ny fandalovan’ny rivodoza Gezani dia tombanana mbola hahazo rotsakorana avokoa ireo toerana efa nolalovany sy mbola handalovany. Ato anatin’ny 24 ora ho avy, araka ny tombana natao dia vinavinaina ho betsaka kokoa ny rano amin’ireo sahandriaka ao anatin’ny faritra Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Boeny, […]
Zokiolona : Nalamina ny fisitrahana fisotroan-dronono
Manoloana ny fandalovan’ny rivodoza Gezani eto amin’ny Nosy sy ho fiarovana ny ain’ireo zokiolona mpisitraka ny vola fisotroan-dronono, namoaka lamina manokana ny tahirimbolam-panjakana. Tsy nisokatra, omaly, ireo birao manerana ny faritra Analanjorofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Analamanga, Betsiboka. Noho izany, ireo rehetra tokony ho nandray ny fisotroan-drononony ny 11 febroary, tamin’ireo […]
Potika 80 % i Toamasina : 31 ny olona maty, 4 tsy hita popoka
Rava tanteraka i Toamasina ! Mahatratra 80 % ny faharavan’ny tanàna. 29 no maty tao an-toerana, roa hafa tany Ambatondrazaka, araka ny tatitra farany, omaly. Any an-toerana, mijery sy manohana ny traboina ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël. Araka ny tombana voalohany, mahatratra hatramin’ny 80 % ny fahasimbana ao an-tanànan’i […]
Pureplay Football League (PFL) : Mitarika ny Disciples FC, faharoa ny Elgeco Plus
Mbola mitana ny laharana voalohany ao amin’ny kaonferansy atsimo, amin’ny fifaninanana “Pureplay Football League” (PFL), ny Disciples Fc Vakinankaratra. Nahazo isa telo indray izy ireo, tamin’ity andro fahadimin’ny fifaninanam-pirenena ity, rehefa nandavo ny AS Ste Anne, tamin’ny isa mavesatra 5 no ho 0, afakomaly, tetsy amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha. Manana […]




